Fidirana politika – Ao anatin’ny fahalovana tanteraka i Madagasikara hoy ny HVM

Helisoa

Tontosa ny sabotsy teo tao amin’ny foiben-toeran’ny HVM tao Andraharo ny fidiran’ny HVM indray eo amin’ny politika, rehefa nijanona nandritra ny fotoana maharitraritra , fa nihanona fotsiny tamin’ny fanambaràna manameloka ny zavatra misy sy tsy mety eto amin’ny firenena niarahan’ny antoko tamin’ireo mpanohitra eto Madagasikara toy ny RMDM sy ny PANORAMA. Tonga maro ireo mpikatroka HVM manerana ny faritra manerana an’i Madagasikara. Olom-boafidy depiote sy senatera, tazana ihany koa ireo olomboatendry sy ny minisitra teo aloha.

Niditra mivantana tamin’ny alalan’ny visioconférence ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Ao anatin’ny fahalovana tanteraka i Madagasikara ankehitriny hoy izy , manjaka ny kolikoly sy ny fanaparam-pahefàna. Aoka hajanona hoy ity filoha teo aloha ity ny fanenjehana ny olona tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. Aoka izay ny lainga sy ny fitaka hitondràna ny firenena. Koa miantso ny mpanao politika rehetra hijery miaraka ny hanarenana ny firenena. Nandritra ny fidiran’ny HVM eo amin’ny sehatra politika indray, araka ny fandaharam-potoana izay efa napetraky ny mpikarakara dia nisy ny famelabelarankevitra izay nahitàna mpanao politika, fiarahamonim-pirenena tsy voatery ho mpikambana HVM. Rivo Rakotovao mpanao politika, namelabelatra ny fisandratan’i Madagasikara, nofinofy ve? Beantanana Erick «mbola misy fampandrosoana azo antenaina ve »? Ny Mompera tonian-dahatsoratry ny gazety Lakroa “ny vahoaka manoloana ny adidy masina sy ny zony hitroatra” ary Razanamahefa Desirée Marie Stella, solontenan’ny fiaraha-monim-pirenena nitondra ny lohahevitra hoe « vahaolana ve ny fifidianana? ».

Fa nandritra ny fotoana dia nisy ny varavarana misokatra na porte ouverte nampisehoana zavabita tamin’ny fotoana nitondràn’ny HVM, tao ihany koa ny nahafantarana ny vina sy ny tanjon’ny antoko. Fa nandritra ny fotoana dia nanambara ny SG HVM Rasambany Alain Desiré raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy, fa hamafisin’ny antoko HVM hoy izy ny hanaovana ny fikaonan-dohampirenena, na izay fomba hitenenana azy mialohan’ny fifidianana, mba hisian’ny filaminana eto amin’ny firenena. Rivo Rakotovao mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM dia nanambara mazava, fa handrotsaka kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2023 ny antoko Hery vaovaon’i Madagasikara.