Erikerika Madagasikara avy any Frantsa – Nanampy ny mpianatra tao Ambohitravoko Mantasoa

Ny Valosoa

Tonga tao amin’ny EPP Ambohitravoko, kaominina Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana, faritra Analamanga ny solontenan’ny fikambanana Erikerika Madagasikara avy any Frantsa, Jean Philippe Rafidison, filoha, sy Noro Ramanoarison, filoha lefitra, nihaona tamin’ireo mpianatra sy tomponandraikitra, ary nitondra ny voatsirambin’ny tanana ho fanampiana azy ireo.

Ny fikambanana Erikerika Madagasikara dia mifindrafindra araka ny fisehoan’ny toe-javatra, ny filàna sy ny fetezan’ny fiaraha-miasa miaraka amina tomponandraikitra an-toerana vonona sy mahatoky. Nanomboka ny fotoan’ny krismasy 2021 dia nisafidy ity toerana ity, izay vaovao amin’ny fikambanana izy ireo, ka namatsy vola hanatanterahana sakafo hiaraha-mizara nokarakarain’ireo mpanabe sy ray aman-dreny malala tanana.
Ankizy mpianatra miisa 10 no afaka fanadinana CEPE tamin’ity taona 2022 ity ary nisitraka fanomezana manokana avy tamin’ny fikambanana. Tsy adino koa ireo mpianatra rehetra ao amin’ny sekoly izay miisa 137 ary koa ireo mpanabe miisa 9. Samy nisitraka fitaovam-pianarana: kahie, crayon sy mofomamy ary bonbons daholo izy ireo.

Nidinika tamin’ireo mpampianatra ny fikambanana, ka nivoitra tamin’izany ny fahasahiranana mihàtra eo anivon’ny ray aman-dreny. Raha 3 amin’ireto farany no mpiasam-panjakana raikitra, dia ny 6 dia mpampianatra FRAM (Fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra). Maro ireo ray aman-dreny anefa no tsy mahaloa ny saram-pidirana 20.000 ariary ho an’ny taona 2022. 20 amin’ireo 50 ihany no nahaloa izany amin’izao fotoana anoratana izao.

Tsy ny ray aman-dreny sy ny ankizy ihany no ihàran’ny fahasahiranana lalina fa na dia ireo mpampianatra koa dia mizaka izany. Ohatra amin’izany ireto mpampianatra FRAM izay manjary ny roa amin’izy ireo no miasa maimaimpoana, ary roa hafa dia miankina amin’ny vola miditra avy amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra.

Amin’izao fotoana izao ny mpianatra dia miditra maraina amin’ny valo ora ary mirava amin’ny iray ora antoandro. Ary amin’izao fotoana izao ihany koa, misy tetikasa hanohizana fianarana hariva. Ka dia hiampy indray ny olana amin’ny fomba isakafoanan’ireo mpianatra. Izany rehetra izany dia mampiseho fa mbola lavitr’ezaka ny fahafahan’ny ankizy mpianatra hisitraka fanabeazana mendrika.

Manoloana ny fahasahiranana sy manaraka ny fikasan’ny fikambanana hitodi-doha amin’ity sekoly ity dia nilaza ireo solontenan’ny fikambanana Erikerika Madagasikara avy any Frantsa, fa hitondra ny hafatra any amin’ny ireo mpikambanana, ary amin’ity taona ity ihany dia efa hitondra anjara biriky. Etsy ankilany, hitohy hatrany ny fankalazana ny fotoanan’ny krismasy amin’ny alalan’ny fikarakarana sakafo hiarahan’ny sekoly rehetra mizara. Mankasitraka ireo tomponandraikitra sy malala tanana rehetra nanampy sy nahafoy andro tamin’ity asa soa notanterahin’ny fikambanana ity.

Faly ary naneho fankasitrahana sy nisaotra ny fikambanana ny solontenan’ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny, tamin’ny alalan’ny fanomezana vokatra avy ao an-toerana. Tamin-kafaliana no nandraisan’ireo solontenan’ny fikambanana ireo fanomezana ary nirary ny hitohizan’ny fifandraisana izy ireo.