EDITO 27 Septambra – Antananarivo – Maloto, tsy voadion’i Vazahabe hatrany, tsy afaka ny fako

Sôh’son

Mahavariana ny zava-mitranga eo amin’ny fitantanana ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA). Ilay toe-tsaina entina mitantana mihitsy no tiana ambara amin’izany. Tamin’iny herinandro lasa iny, dia mbola noraisin’ny Ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina indray, ireo mpitondra taxi-môtô ary nisy ny dinika nifanaovan’izy ireo. Niaraha-nandre sy nahalala tsara anefa, fa tsy lany teo anivon’ny mpanolotsaina kaominaly, ny lalàna ny amin’ny ahafahan’izy ireo miasa eto an-drenivohitra sy ny manodidina, tamin’ny fivoriana nataon’izy ireo farany. Voalaza fa isam-bato iray no tsy nitovian’ny isa tamin’ny fifidianana fandaniana izany. Fantatra ihany koa, fa fanindroany amin’ny fandavana nataon’ireo mpanolotsaina ity farany, ka na dia nifanakaiky aza ny isam-bato, dia mazava ny tsy fandaniana ilay lalàna manaiky ny haha-ara –dalàna azy ireo hiasa hitatitra olona eto amin’ny renivohitra. Mazava loatra ho an’ny mpanara-baovao, fa “tao raha” matoa toy izany ny nivoaka tao amin’ny fivoriana. Tsy mandehandeha ho azy amin’izany. Maneho indrindra izany, fa misy tian’ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany miara-dia aminy ahatongavana ao anatin’izao raharaha izao matoa mbola mamerina ny fandaniana ilay lalàna sy iny fiaraha-midinika tamin’ireo mpamily taksi-môtô ireo izy. Santionany amin’ny fomba fitantanana ity renivohitr’i Madagasikara ity izany miseho izany. Zavatra efa nolavin’ny maro tamin’ny fomba ara-dalàna, dia itadiavan-kevitry ny olom-bitsy mpitantana izay fomba samihafa hahatanteraka azy ihany, indrindra eo amin’ny lafiny ity fifamoivoizana sy fitateram-bahoaka ity izay tsy mitsahatra misy olana hatrany. Misy kajikajy politika sa bizina ambadika ve izany toe-javatra izany?

Hatreto ny tanànan’Antananarivo, dia mbola ao anaty fahalotoana, tsy afaka ny fako tsy voaalan’i Vazahabe sy ny ekipany, na dia niseho hahavita ny fanadiovana azy aza ny Ben’ny tanàna nandritry ny fampielezan-kevitra nataony tamin’ny fifidianana sy ny fanampian’ny filoham-pirenena azy tao anatin’izany. Toy ny hadio hihatsara i Antananarivo, raha vao nandray ny toeran’ny Ben’ny tanàna ny tenany. Iaraha-mahita anefa ny zava-misy, fa mbola mitoetra ny loto, ny fako tsy afaka, ary asa indray izay hitranga rehefa higadona ny fotoam-piotazana sy varotra vokatra lôdisia sy manga. Miseho manadio ireo lakandrano ny kaomina miaraka amin’ny Apipa, kanefa ireo fakobe noesorina tamin’ireny toerana ireny toa tsy afaka tsara akory, ary ireo fako nalàna tsy niàla lavitra ny tanàna na ny fokontany misy azy. Hita izany eny Ampasika mihazo an’Ampefiloha Ambodirano iny, izay ny fako napetraka amin’ny faritra iray tsy lavitra ny lakandrano. Ny loto anefa iaraha-mahalala fa mitondra aretina. Be zaza sy ankizy milalao izany lalana izany manamorona ny lakandrano eny. Tsy misarika ny mponina rahateo mba hiàla sy hanana toe-tsaina ho tia sy handàla fahadiovana ny zava-misy.

Raha izany rehetra izany no fomba fitantanana atao, sarotra ihany ny hiheverana hisian’ny fiovàna miharihary eto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity.

Amin’izao fotoana, miezaka manala ireo mpivarotra eny amin’ny Petite Vitesse ny CUA, henjana ny tady ankehitriny eny an-toerana, satria lazain’ireo mpivarotra ho manalika azy ireo i Vazahabe sy ny ekipany, tsy mahita vahaolana maharitra hoy izy ireo ny kaominina fa manilikilika ny mpivarotra amin’izay tiany atao, izay hambaran’ireo mpivarotra ireo fa manambany azy ireo toy ny biby sanatria ny CUA.