Antoko HVM – Tsy mahomby ny fitantanan-dRajoelina sy ny forongony ny firenena

Helisoa

Antoko mpanohitra ny HVM araka ny nolazain’ny mpandrindra nasiônalin’ny Antoko Rivo Rakotovao, nandritra ny valandresaka nataony ho an’ny mpanao gazety, teny amin’ny foiben-toeran’ny antoko tao Andraharo ny alakamisy lasa teo. Nijery sy nangina fotsiny aloha ny antoko hoy izy nandritra ny herin-taona nitantanan’ny TGV, mba hahafahan’ny mpitondra vaovao hiasa tsara tamin’izany. Tapitra kosa ny fetra dia tsy maintsy niditra tamin’ny fanehoan-kevitra niaraka tamin’ireo antoko mpanohitra ny HVM, milaza ny fomba tsy mahomby itantanan-dRajoelina sy ny forongony ny firenena izay hita mibaribary ankehitriny.

Ankoatra izay, hiditra amin’ny fifidianana ny firenena amin’ny taona 2023, handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana ny HVM hoy hatrany ny mpandrindra nasiônaly Rivo Rakotovao. Eo no mila jerena tsara ny fomba hanatsaràna ny fomba hitantanana ny fifidianana, mba tsy hisian’ny krizy eto amin’ny firenena. Ilaina hoy izy ny fikaonandohan’ny rehetra ahafahana manatanteraka ny fifidianana araka ny tokony ho izy. Manoloana izany dia hisy ny andro natokan’ny HVM hidirana amin’ny politika amin’izay (Journée de la Rentrée Politique ) araka ny nambaran’ny sekterera jeneralin’ny antoko Rasambany Alain Desiré atao anio sabotsy 24 septambra tontolo andro, ka ny tapany voalohany amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 1 ora, hiarahana amin’ireo olona nasaina.

Hisy ny famelabelaran-kevitra izay olom-pirenena sy fiarahamonim-pirenena ary mpanao politika, tsy voatery ho HVM no hanao izany. Handray anjara amin’ ny adihevitra ny Mompera Prosper tonian-dahantsoratry ny gazety Lakroa. Eo ihany koa no hampisehoana antsary ny zavabitan’ny fitondràna HVM tamin’ny fotoana nitondràny ny firenena. Ny tapak’andro hariva kosa dia dinidinika ambany tafon-trano ataon’ireo mpikatroka HVM. Ho avy avokoa ireo solontenan’ny HVM avy any amin’ny faritra eto Madagasikara, sy ny solontena avy any ampitandranomasina araka ny nambara hatrany.