Soleil Marmailles La Réunion – Nanolotra fitaovam-pianarana teny Ambohitrimanjaka

Helisoa

Fikambanana mpanao asa soa ny fikambanana Soleil Marmailles avy atsy amin’ny Nosy La Réunion, izay tarihan’i Dokotera Sylvie sy Tiana Razafintsalama. Efa nisy ny fanamboarana efitrano ho an’ny mpiteraka tao amin’ny CSB Ambohitrimanjaka distrikan’Ambohidratrimo. Teo koa ny fanomezana kidoro sy fitaovana tao amin’ny CSB Talatamaty.

Isan-taona ny fikambanana dia tsy manadino ireo ray amandreny sahirana eny Ambohitrimanjaka, fa misy hatrany ny fanolorana fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy mpianatra eny an-toerana. Omaly alatsinainy, nisy ny fanomezana fitaovampianarana: kahie, fonon-kahie, penina ho an’ireo ankizy, ka ny mpitarika ny fikambanana Soleil Marmailles ny dokotera Sylvie sy Tiana Razafintsalama mihitsy, no nanolotra izany teny Ambohitrimanjaka, izay tanindrazana niaviany.

Nisy ny hafatra nataon’i dokotera Sylvie Razafintsalama nandritra izany. Fanampiana fotsiny no ataonay hoy izy, fa mianàra tsara ianareo rankizy, fa io no lova tsara indrindra hapetraka ho an’ny taranaka. Teo koa no nanentanany ireo ray amandreny mba hanao ny fanabeazan’aizana, amin’izay mba hirindra tsara ny fiainam-pianakaviana. Velom-pisaorana ny fikambanana Soleil Marmailles ny mponina teny an-toerana nisitraka ny fanampiana, satria tena mitsinjo azy amin’izao fahasarotan’ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly izao ny fikambanana. Nisaotra ihany koa izy ireo amin’ny tsy fanadinoana ny tanindrazana niaviana dia Ambohitrimanjaka izany.