Fotoambavaky ny FFKM ho an’ny firenena – Tsy nisy solontenam-panjakàna nanatrika ny fotoana

Helisoa

Tontosa ny sabotsy teo, tao amin’ny Ekar Masindahy Misely tetsy Amparibe, ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana ho an’ny firenena sy ny asa miandry ny FFKM.

Nitarika ny fotoana tamin’izany ny Rev Ranaivoarivelo Vonjisoa Tiana tonian’ny FFKM ary nitory ny tenin’Andriamanitra ny pastora Dr Hery Rabarimanana. Ny tenin’Andriamanitra nanompanana ny fotoana dia ny hita ao amin’ny Jeremia 1 and 10: « Omeko fahefàna ianao anio amin’ireo firenena sy fanjakàna mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava ary hanorina sy hamboly indray ».

Tonga maro ireo olon-tsotra, sy ny mpanao politika, izay hita fa avy amin’ireo antoko mpanohitra ny ankamaroany. Ny mpitondra fanjakàna kosa dia tsy nanana solontena nanatrika ny fotoambavaka tamin’izany. Nisaotra ireo rehetra niaraka niombom-bavaka tamin’ny FFKM ny pastora Dr Rabarimanana Hery, satria firenena iaraha-manana hoy izy i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy. Mitory izany hoy izy fa iray ihany isika. Ny irariana dia ho sambatra sy ho finaritra i Madagasikara. Sarobidy ho an’ny fiangonana ny mahita fa mivavaka ny zanany. Mifampivavaka isika, mba hanjaka eto amin’ny firenena ny fifankatiavana.

Nanatrika ny fotoana izahay hoy ny depiote Mamy Rabenirina avy amin’ny antoko mpanohitra, noho ny fahavononana ny hitondra am-bavaka ny firenena sy ny famaliana ny fanasàna nataon’ny FFKM. Mahatsapa izahay hoy izy, fa ilaina ny vavaka amin’izao fotoana izao ho an’ny firenena. Tany amin’ny fanambaràna hisian’ny vavaka dia hita tao ny mety ho andraikitry ny FFKM manoloana ny raharaham-pirenena, izay tokony hatao ato ho ato izay tohananay hoy ity olom-boafidy ity. Tsapanay hoy ny depiote Mamy Rabenirina, fa misy ny fahavononan’ny FFKM, ka izay no tena ilàna vavaka sy angatahina fitahiana manokana ary tohananay raha namaly ny fanontaniana nataon’ny mpanao gazety ny tenany.