Kaominina Ampitatafika – Hamafisina ny tolo-tanana amin’ny fametrahana fandriampahalemana

Franck Razakambelo

Jiolahy miisa 4 no lavon’ny bala ary jiolahy miisa 6 hafa no nandositra, vokatry ny fifandonan’ireto farany niaraka tamin’ny Zandary izay nanao fisafoana tetsy Ifaliarivo Ampitatafika ny herinandro lasa, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina no nitrangan’izany.

Nanambara Andriamatoa Ramparaoelina Rado, Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampitatafika Atsimondrano, fa izao sahady no vokatra azo, taorian’ny fanatanterahana asa fanarahamaso nataon’ny mpitandro filaminana, taorian’ny trangana fanafihan-jiolahy nahafatesana olona iray tetsy amin’ny Fokontany Ambodiafotsy ny 05 Septambra 2022 lasa teo. Nanohy fanazavana ny Ben’ny tanàna, fa tokony homena tolo-tanana ny mpitandro filaminana eny anivon’ny Kaominina, mba hahafahana manohy ny asa fanarahamaso ny fivezivezen’ny olona sy mametraka ny fandriampahalemana ao an-toerana ary tokony hampitomboina hatrany ny isan’ny jiro andalam-be, ho fanazavana ny tanàna hisorohana ny trangana tsy fandriampahalemana.

Ankoatr’izany dia nilaza Andriamatoa Ramparaoelina Rado, fa tokony homena fahefana ny Kaominina, mba hanaramaso ny fivezivezen’ny olona amin’ny alalan’ny fanaovana bokim-bahiny eny anivon’ny Fokontany ary tsy tokony hisy intsony ny “Delestage” amin’ny ora mitovy, satria mampirongatra ny asa ratsy ny fahatapahan-jiro eo anelanelan’ny amin’ny 12 ora alina, ka hatramin’ny 3 ora maraina. Nanamafy ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika, fa olana eo anivon’ny fiarahamonina ny fisian’ny elanelana eo amin’ny saranga ambony sy ny fianakaviana sahirana, hany ka tsy marisika mifamonjy ny olona rehefa misy trangana vonjy voina. Manoloana ny fampiharana ny fahefam-panjakana izay mahavery ny fahatokisan’ny olom-pirenena amin’ny mpiasam-panjakana, indrindra tao aorian’ny trangana fahafatesan’ny fokonolona tany Ikongo efa ho tapa-bolana mahery lasa izay dia nanambara ity olom-boafidy ity, fa tokony halain-tahaka ny fomba fiasan’ireo olom-panjakana eo anivon’ny “Pôle Anti-corruption”, satria manatanteraka ny asa fanadihadiana ao anatin’ny fahamarinana ireto farany.

Naneho hevitra ny Ben’ny tanànan’ Ampitatafika, voafidy tamin’ny lisitra Tiako i Madagasikara (TIM), manoloana ny kabarin’ny filoham-pirenena nandritra ny lanonana fitokanana lalam-pirenena tany Vohemara, fa tokony samy hampidina ny hambo-po ny mpanao politika rehefa mandray fitenenana, mba hitandroana ny firaisankinam-pirenena ary manoloana ny fahataperan’ny fotoam-piasan’ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM) kosa dia nanambara izy, fa maivana ny vokatra azo nanomboka tamin’ny taona 2017 raha nampitahaina tamin’ny teti-bola nampiasan’ny Cfm.