Rina R. sy Jean Claude R. – An’ny rehetra ny hetsika fanavotam-pirenena fa tsy an’ny TIM irery

Isambilo

Tao aorian’ny nisamborana azy ireo, ny sabotsy teo tetsy Behoririka, sy ny namotsorana azy, naneho hevitra mahakasika ny raharaham-pirenena, ny sekretera nasiônalin’ny antoko TIM Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra nasiônalin’ny antoko Jean Claude Rakotonirina. An’ny rehetra ny hetsika fanavotam-pirenena hoy izy ireo fa tsy ho an’ny TIM irery ihany, satria ny vahoaka rehetra mihitsy amin’izao fotoana no sahirana tanteraka, noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana, noho ny tsy fijeren’ny fitondrana ny tena olam-bahoaka.

Ny mpandrindra nasiônaly

“Hita taratra fa mikororosy fahana ny fampihàrana ny demôkrasia eto Madagasikara. Andraikitray ny manao “animation de la vie politika” araka ny lalàna fehizoro faha-55 andininy faha-3, 18-2002-008, ary teo am-panatontosana ny andraikitray izahay no nanaovana fisamborana “arbitraire”, na tsy ara-drariny. Efa-dahy no nibata anay toy ireny mibata mpangalatra gaigilahy ireny, ny 2 teo amin’ny andaniny sy ilany, ny 2 kosa sady nanosika avy ato aoriana sady manery hiditra any anaty fiara. Marihana fa tao amin’ny Magro, izay toerana voafefy nahazoana alàlana, no saika hanaovanay ny hetsika. Kanefa zahay dia mbola mijoro ary mbola hilaza ny hevitray foana, indrindra amin’izao fotoana izao, izay tena mampijaly ny vahoaka nohon’ny fahasahiranana. Mino izahay fa tsy ny fisamborana anay angamba no hamaha ny olan’ny vahoaka malagasy.”

Ny sekretera jeneraly

“Misaotra amin’ny firaisankinantsika rehetra, misaotra manokana ny filoha Marc Ravalomanana nanao izay rehetra azony natao, raha vantany vao nahare izy fa voasambotra izahay. Misaotra ireo nanohana, na teny an-kianja na teo amin’ny tambazotran-tserasera, na teny Fiadanana. Efa tena no-“ciblé”-na izahay, satria tsy misy antony manokana tokony nisamborana anay. Izahay nijoro tato aoriana kanefa tonga dia nobataina ary tsy nahafantatra akory hoe nobataina raha tsy efa tao anaty fiara. Efa tafiditra ao anatin’ny jadona tanteraka ny firenena ary efa miha-potika. Mila ny fijoroan’ny tsirairay avy, mba tsy hilefitra manoloana an’izay zavatra niseho izay.”