Filoha Rajoelina – Miaina sy mampiaina ny gasy amin’ny an-tsapaka sy tsapatsapa

AndryTsiavalona

Zary lasa fahazarana ho an’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny manao an-tsapaka mba hahazoana “loka”. Ankoatr4ilay zazavavy nahazo trano mora tetsy amin’ny Kianjaben’i Maamasina tamin’ny famaranana ilay fotoam-pivavahana lehibe dia nisy indray ny nahazo andro vitsy lasa izay. Telopolo no tokony hahazo, saingy ity iray ity moa no tsara “vintana” rehefa nanao ny an-tsapaka ny filohan’ny Repoblika. Telopolo no mbola hahazo amin’ireo taratasy marobe tao anatin’ny boaty. Tsy mbola fantatra rahoviana na aiza indray, no hoentina ny boaty hanaovana ny an-tsapaka ary iza no hanao izany? Ny fanontaniana mipetraka ihany koa dia aiza no misy ilay taratasy firotsahana, ho anisan’ireo kandidà tsara vintana mety hahazo ilay loka ary iza no misafidy azy ireny?

Nitokana tooerana iray fampiadiana akoholahy ny filohan’ny Repoblika taona vitsy lasa izay. Inona anefa no atao any amin’ireny toerana fampiadiana akoho ireny? Mazava ho azy fa miloka ireo mpijery ary mametraka vola ho an’izay akoho heveriny fa handresy. Raha izay no jerena dia mandrisika ny gasy hiloka sy hiaina amin’ny fitsapana vintana sy tsapatsapa ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry. Raha izay làlan-tsaina izay no hitarina dia toy izany koa no fomba hitantanan’izao fitondrana izao ny fiainam-pirenena eo amin’ny sehatra rehetra. Nampanantena tany amin’ny Faritra SAVA ny filohan’ny Repoblika tamin’izany fotoana izany, fa hampiakarina avo telo heny ny vidin’ny lavanila. Tamin’izao fotoana iakaran’ny vokatra lavanila izao dia namoaka didy ny minisiteran’ny varotra fa dimy arivo sy fitoalina ny vidiny farany ambany handraisan’ireo mpandraharaha amin’ity sehatra ity. Maro ny voahilika tamin’ireo mpandraharaha na dia efa manana fahazoan-dàlana aza. Nametram-panontaniana ireo voahilika satria tsy mazava mihitsy ary tsy nisy fifampidinihana ny momba izany. Ka izay iray alehany na misy tandapa te-hanao ampihimamba ny sehatra ka nanilika ny hafa tsy ao anatin’ny tambazotrany, na natao an-tsapaka ireo omena fahazoan-dàlana, izay noferana mialoha ny isany.

Nilaza indray ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fitsidihany tany Andapa farany teo fa misy politisiana manao fitaovana politika ny fahazoan-dàlana, ka nitondra karatra “biomètrique” ho an’ireo mpandraharaha izy. Iza ary firy indray no hahazo izany satria matoa afaka nanao karatra ny fitondrana dia misy lisitra mazava tsara any, ka sao hanaovana an-tsapaka indray. Iza no namoaka ny lalàna namerana ny vidin’ny iray kilao ary iza no nametra ny isan’ny nahazo alàlana? Raha ny mpikambana ao amin’ny governemanta dia ny mpitondra ihany izany no manao fitaovana ara-politika ny sehatra.

Torak’izany ny momba ireo orinasa mpanao làlana tsy mbola naharay ny volany nefa ny asa vita efa ho roa taona izao. Nitokona indray manoloana ny Minisiteran’ny Asa Vaventy ireo tsy mbola nisitraka ny sandan’ny asa nataony. Iaraha-mahalala anefa fa nisy ireo efa nahazo izany ka sao dia natao an-tsapaka indray, ka ireo tsara vintana no nahazo. Mampieritreritra ihany mantsy ny zava-misy satria misy ny vola tao amin’ilay “Fonds d’Entretien Routier” (FER) izay novaina ho “Fonds Routier” ny anarany, ka nahodina ny vola ary izay sisa ambiny no nanaovana an-tsapaka.

Azo heverina fa ity tsapa vintana ity no namaritana sy amaritana ary hamaritan’izao fitondrana izao ny toerana sy ny asa ary ny fotodrafitrasa ataony, fa tsy misy programa matipaika norafetina, matoa tsy nisy nahomby: na ny IEM, na ny PEM, na ny Plan Marshall, na ny Velirano, na ireo tetikasan’ny filohan’ny Repoblika (Projets Présidentiels). Efatra taona no lasa kanefa tsy nisy nampandroso an’i Madagasikara na ny faminaniana sandoka na ny an-tsapaka, ka aza manao adala nomena tànan’ondry ka na soloina hofany aza tsy manaiky!