Depiote voafidy tao Mahabo – Iharan’ny tsindry hatramin’ny fianakaviany

Rajepa

Manoloana ny disadisa eo amin’ny fisitrahana ny ranon’ny Dabarà dia vaky tanteraka ny ady, eo amin’ireo mpisitraka vitsivitsy avy ao Morondava faritra Menabe, izay mikatsaka ny tombontsoan’olom-bitsy ary miezaka manao ny fomba rehetra hampanginana ny solombavambahoaka izay voafidy tao Mahabo, ka miezaka manakorontana sy manembatsembana ny depiote, tsy hiady ny marary ny vahoakany ary ankehitriny dia efa tonga any amin’ny vady aman-jananany izany antsojay izany izao. Raha ny zava-misy tato ho ato dia misy mpitondra fanjakana sy mpitondra fivavahana ao Menabe izay miezaka manao izay hampidirana am-ponja ny zanak’ity solombavambahoaka ity, ka mampifandray ny zanany sy ny dahalo raindahiny izay antsoina hoe Soja, izay efa nampidirina amponja vonjimaika tamin’ny faha 12 jolay lasa teo, rehefa vita ny fanadihadiana teo anivon’ny polosim-pirenena sy ny fampanoavana. Nilaza moa tamin’izay ny mpitandro ny filaminana, fa mbola mitohy ny fikarohana ireo namany sy ny fanadihadiana. Taty aoriana dia misy ireo naman’i Soja no maty voatifitry ny mpitandro filaminana rehefa nanao ny fisamborana izy ireo. Nampiantsoana teo amin’ny polisim-pirenena koa ny zanaky ny solombavambahoaka voafidy tao aminin’ny distrikan’i Mahabo, satria lazaina fa notononin’i Soja fa namany.

Tonga niatrika ny fanadihadiana izay natao taminy ity zanaka lahin’ny depiote ity ary ny alakamisy 21 jolay no saika hatolotra ny fampanoavana, saingy nohon’ny fotoana teo amin’ny fitsarana dia ny zoma 22 jolay no natolotra ny fampanoavana izy, ka nanao fiantohana azy ny mpisolovava azy dia nody izy ary tonga teo ny maraina, niaraka tamin’ny reniny, saingy nohon’ny feo mandeha izy henon’ny reniny fa misy olona manome baiko fa tsy maintsy ampidirana amponja vonjimaika aloha ny zanany dia nafeniny tsy naseho teo anatrehan’ny fampanoavana, satria hoy ity solombavambahoaka ity hoe : ny fanadihadiana teo amin’ny fampanoavana dia efa mandeha ny resaka sy baiko fa tsy maintsy ampidirana amponja vonjimaika ny zanany, ka tsy ekeny izany ary tokony hampahafantarana azy ireo koa ny olona mitory ny zanany, satria raha ny fijoroana vavolombelon’ireo ray aman-dreny avy ao Manamby dia noterena hanonona an’ny zanaky ny depioten’i Mahabo i Soja ary noterena ihany koa hamoaka ny basy ao aminy, izay lazain’ireo nisambotra an’i Soja fa tsy maintsy avoakan’ny Soja ny basin’ny zanak’i depiote izay ampiasain’izy ireo. Rehefa natao anefa ny fisavana ny tranon’i Soja dia tsy nahitana na dia basy iray aza tao. Nilaza moa ny lehiben’ny fokontany sy ny ray aman-dreny eo an-tanàna ary ny vadin’i Soja, fa tsy misy fifandraisana mihintsy i Soja sy ny zanak’ity solombavambahoaka ity.

Raha mahakasika ny fanononan’i Soja ny zanaky ny solombavambahoaka indray dia milaza mazava ireo ray aman-dreny eo an-tanàna fa noterena hanonona fotsiny i Soja, saingy nandà ary raha ny resaka nifanaovana tamin’ny vadin’i Soja, izay namangy sy niresaka tamin’ny vadiny tao am-ponja dia mbola tanany hatramin’ny farany ny tenin’i Soja, fa tsy anatin’ireo anarana notononiny ny anaran’ny zanaky ny solombavambahoaka.
Nilaza moa ny solombavambahoaka izay voafidy tao amin’ny distrikan’i Mahabo, Razafindrazalia Yvonne, fa misy mpitondra fivavahana sy olom-panjakana ao ambadik’izao fanenjehana azy sy ny zanany izao, nohon’ny fijoaroany miady ny tombontsoan’ny vahoaka nifidy azy manoloana ny olan’ny ranon’ny Dabarà, no fototr’izao rehetra izao. Koa miantso ny fitondrana foibe hijery akaiky izao izy; satria izao zavatra mahazo ny solombavambahoaka voafidy ao amin’ny distrikan’i Mahabo izao dia isan’ny fanakanana ny fampandrosoana ny disitrika nifidy azy hiaro sy hiady ny tombontsoan’ny vahoaka nifidy azy. Taorian’ny fifampiresahana nandritra ny saika hanatanterahana ny fanolorana ny zanak’ity solombavambahoka ity, ho an’ny fampanoavana dia tsy nisy mihintsy ny marimaritra niraisana, ka niditra tamin’ny fisavana trano ny avy eo amin’ny mpitandro filaminana rehefa nahazo alalana avy amin’ny fitsarana, saingy teo no torana tsy nahatsiaro tena ny solombavambaoaka rehefa nifanazava tamin’ny mpitandro filaminana, ka voatery nentina tany amin’ny hopitalibe manaraperitra ao Namahora ary nalefan’ny mpitsabo tao notsaboina any Antananarivo, ka tsy vita ny alin’io faha 22 jolay ny fisavana ny trano noho izay antony izay ary teo koa ny tsy faneken’ny mpiara-monina hijoro vavolombelona, hany ka olona avy any ivelan’ny fokontany, no natao vavolombeloana. Ny maraina faha 23 jolay vao vita ny fisavana, ka tsy hita tao ny zanaky ny solombavambahoaka. Nangina teo moa ny raharaha ary mbola miandry ny hivoahan’ny zanaky ny depiote ny rehetra. Koa ho hita eo ny tohiny, fa ny avy ao amin’ny fitsarana dia miandry ny mpitandro filaminana hanatitra ity zanaky ny depiote ity vao afaka manohy ny asany.

Raha izao zava-misy izao no jerena dia ahiana ny mety hampihena ny fahazotoan’ny vehivavy hirotsaka ho fidiana, satria dia efa olom-boafidy vehivavy roa amin’izao no hihàran’ny tsindry sy fanenjehana amin’ny fanantanterahany ny asa maha-olomboafidy azy, koa manaitra ireo tompon’andraitra mahefa sy ireo hery velona izay afaka mijery izao raharaha izao, mba handray andraikitra, fa izay miasa ihany no voaenjika eto Madagasikara, sa izay tokoa ilay hoe ny manao ihany no hita?