Mila hatao malaky ny fikaonandoham-pirenena – Misy krizy politika, ara-toekarena ary sôsialy eto amin’ny firenena

Niaina

Naneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena ny mpanao politika, Julien Andriamorasata, amin’ny maha-olom-pirenena azy. Nambarany fa mila hatao haingana ny fikaonadoham-pirenena eto amintsika hivoahana amin’ny krizy, satria misy krizy politika, misy krizy ara-toekarena ary krizy ara-tsôsialy lalina eto amintsika amin’izao fotoana.

Fotoanan’ny fikaonandoham-pirenena izao hoy izy, tsy tokony hisy ny fifanilihana sy ny andraso andraso, fa tokony hatao io. Efa niangavy ny rehetra ny filoha Marc Ravalomanana, nefa mbola toa samy mihainohaino, noho izany hoy Julien Andriamorasata, tokony hataon’ny mpanohitra io fikaonandoham-pirenena io, satria andraikitry ny mpanohitra rahateo koa izany, hanasana ny rehetra tsy ankanavaka ny fandraisan’anjara.

Alefaso dia havoahay ny fehin-kevitra, hivoahan’ny firenena amin’izao krizy izao. Zava-doza ny mbola hahazo ny firenena raha tsy misy vaha-olana, izao krizy ara-politika, sy ara-toekarena ary ara-tsôsialy misy izao. Lazaina fa noho ny ady any Ukraina no nahatonga izany, krizy noho ny valanaretina coronavirus, efa talohan’izany no nanomboka izao krizy eto amin’ny firenena izao, satria tamin’izany no efa niiba ny fitomboan’ny harin-karena eto amintsika.

Afaka adidy ny mpanohitra, alefaso io fikaonandoham-pirenena io, satria miandry izany ny vahoaka maro an’isa eto amin’ny firenena. Raha tsy handray anjara ny fitondrana, hojerena eo ny hampiharana ny fehin-kevitra. Ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ohatra, dia vaha-olana ialana amin’ny doublon sy ny hala-bato nisy, hoy ihany ny mpanao politika Julien Andriamorasata.