RMDM sy Vondrona Panorama – Tsy manaiky ny sarintsarina fikaonandoha ataon’ny CENI

Stefa

Nanatanteraka karazana fikaonandoha momba ny fifidianana sy ny lisi-pifidianana ny CENI, na ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana tamin’ity herinandro ity.

Tsy manaiky izany sarintsarina fikaonandoham-pirenena izany ny mpanohitra avy amin’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sy ny Vondrona Panorama. Ny antony hoy izy ireo, saribakolin’ny fitondrana ny CENI misy amin’izao fotoana, ka inoana fa tsy maintsy mbola hitanila amin’ny fitondrana misy izy ireo. Noho izany, tonga nanatitra taratasy teny Alarobia, namaly ny fiantson’ny Ceni ireo vondrona Rmdm sy ny Vondrona Panorama, mitsipaka izao sarintsarina « concertation » ataon’ny Ceni izao.

Fikaonandoham-pirenena tena izy, momba ny fifidianana sy ny manodidina azy, handraisan’ny rehetra tsy ankanavaka anjara no ilaina hoy ny RMDM sy ny Vondrona Panorama, mba hisian’ny fifidianana madio sy milamina ary mangaraharaha amin’ireo fifidianana rehetra ho avy eto amin’ny firenena.