Nitroatra ireo mpivarotra eto Antananarivo – Manohitra ny fanomezana an’ny tsy miankina ny tsena

Stefa

Nanao hetsika ho fanoherana ny fanomezan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny tsena eto an-drenivohitra, ho tantanin’ny tsy miankina, ireo mpivarotra omaly. Anisan’ny nanao izany hetsika fitokonana izany ny mpivarotra teny Isotry sy Andravoahangy. Marobe izy ireo no naneho ny tsy fahafaliany tamin’ny ekipan’ny ben’ny tanàna Vazahabe tamin’io hetsika fidinana an-dalambe omaly io.