Filoha Ravalomanana – Afaka mampandroso ny firenena ao anatin’ny fotoana fohy

Isambilo

Efa hita teto amin’ny firenena, fa afaka nampandroso ny firenena tao anatin’ny fotoana fohy ny filoha Marc Ravalomanana. Tamin’ny fotoana nitondrany, tafakatra hatrany amin’ny 7% ny fitomboan’ny harin-karena anatiny faobe teto amintsika. Azo lazaina ho efa tena niainga ny fampandrosoana tamin’izany, ny tantsaha voajery, ny tsy an’asa nihena, satria maro ireo orinasa nijoro, noho ny fisian’ny AGOA niarahana tamin’ny Amerikana, ka maro ireo mpiasa Malagasy tamin’izany, niasa tamin’ny orinasa afak’haba, ka ny vokatra tamin’izany dia nalefa tany Etazonia tsy nandoa haba, nampiroborobo ny indostria, sy ny famoronana asa teto amintsika.

Efa nampandroso ny firenena ny filoha Ravalomanana tamin’ny fotoana nitondrany, efa manana paikady hampandrosoana ny firenena haingana izy, ka vonona mbola hampandroso haingana an’i Madagasikara indray, fa tsy hiandry 70 taona any ho any vao hilahatra amin’i Rwanda amin’izao fotoana isika, araka ny tomban’ny Banky Iraisam-pirenena, mahita ny tsy fahombiazan’ny politikam-pitantanan’ny fitondrana Rajoelina ankehitriny. Nandray ny ACIM (Association des Cadres Intellectuels de Madagascar) teny Faravohitra ny filoha Marc Ravalomanana afak’omaly. Nanamafy izy nandritra izany, fa afaka mampandroso haingana ny firenena ny olona iray, rehefa tena manana politika matotra ho amin’izany, noanteriny fa manana politika ho amin’izay fampandrosoana malaky ny firenena izay izy.

Ny ACIM dia fikambanana tanora, izay vonona hampandroso firenena, mitovy fomba fijery amin’ny vinan’ny filoha Ravalomanana ary nahita fa mety ny fomba fitondrany, indrindra mahakasika ny sehatry ny fambolena sy fiompiana. Manana tetikasa ny ACIM, ka nentiny nanoloana ny filoha Ravalomanana izany, satria hitan izy ireo fa tsy ny rehetra no manana traikefa, hitan’izy ireo ny fandrosoan’ny firenena tamin’ny fotoana nitondrany sy ny faminganana: fanapotehana natao teto ka nahatonga fahaverezan’asa maro tamin’ny taona 2009 ireny. Efa tafakatra ny firenena nefa nosintonina nidina indray, hoy ny ACIM. Ilaina ny manana vina sy tanjona hoy ny Filoha Marc Ravalomanana, tsy mety ny mitady vola fotsiny, nefa tsy fantatra sy tsy hay izay ampiasana azy.