Fitondrana Rajoelina – Fitondrana mitsapatsapa, miana-draharaha, tsy manana fahaiza-manao

Andry Tsiavalona

Misy fanjakana ve eto? Mahafapo ve ny fianarana? Manana asa ve ny tanora? Mahavelona ve ny karama? Mahafapo ve ny fitsaboana? Mahafapo ve ny Jirama? Misy ve ny fandriampahalemana? Ireo no fanontaniana napetraky ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fampielezan-kevitra nataony fony izy kandidà. Namaly ireo tonga nanatrika ny fampielezan-kevitra hoe: “TSIA!”. Efa ho efatra taona izao no nametrahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana azy teo amin’ny toerana maha filohan’ny Repoblika azy.

Azo haverina aminy ireo fanontaniana ireo. Raha ny resaka fitantanana ny Firenena no asian-teny dia iaraha-miaina ny fanaovana tsapatsapa toy ny mpiana-draharaha sy ny tsy fahaiza-manao ary ny fifanitsahan’andraikitra. Resabe fotsiny ny filazana fa efa vonona ny vola entina manatanteraka ny IEM kanefa niova an-dàlana ho PEM sy Plan Marshall kanefa tsy nisy tanteraka ireo fa niverin-dàlana indray ka nanao “vely rano” isaky ny manonofy tetikasa ny filohan’ny Repoblika. Samy manao izay saim-patany ny ao amin’ny governemanta ary ny praiminisitra dia tsy ahitan-teny manoloana izany toe-draharaha izany. Ny fahefana mpanatanteraka indray no mibaiko ny fahefana mpanao lalàna. Tsy manana ny fahaleovan-tenany intsony ny fahefana mpitsara fa miandry teny midina rehefa mamoaka didy.

Tsy takona hafenina intsony ny fitokonana ataon’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ary ny mpandraharaha (PAT) noho ny tambikarama na karama tsy voaloan’ny mpitondra efa ho aman-taona. Miverimberina izany ao anatin’ny taom-pianarana iray. Vokatr’izany dia matahotra ny hisian’ny taona fotsy ny mpianatra ka mihetsika ihany koa. Tokanana ny fianarana “manarampenitra” etsy sy eroa kanefa ny sasany dia lokoina lokom-boasary fotsiny kanefa ny fitaovana ao anatiny dia tsy zarizary.

Eo amin’ny sehatry ny asa dia efa taorian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 no amana hetsiny ny very asa. Taorian’ny nandraisan’ny filohan’ny Repoblika ny fitondrana ny taona 2014, indrindra rehefa niditra teto ny valanaretina, noho ny tsy fandraisana andraikitry ny mpitondra ara-potoana ka niditra tamin’ny fihiboana dia nikatona ny orinasa maro. Nitombo araka izany ny very asa, ary ny tanora efa tokony hiasa dia tsy mahita ka mirenireny etsy sy eroa. Ny filohan’ny Reoblika ihany no mamaly ny fanontaniana napetrany tamin’ny fampielezan-kevitra raha manana asa ny tanora na tsia. Raha ny vahoaka no hanontaniana ny fananana asa ankehitriny dia ho toy ny tamin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitr’i Rajoelina Andry ihany ny valinteny ary dia namita-bahoaka izany izy satria ao miha mitombo izay ty izy ny tanora tsy manana asa.

Nampiakatra ny karama 25 sy 13 ary 5 isan-jato ary nampiakatra ny karamafarany ambany ho 250 000 Ariary ihany koa ny filohan’ny Repoblika tamin’ny kabariny ny 1 Mey 2022 satria hono tsapany fa tena tsy mahavelona intsony ny karama. Tsy misy dikany izany raha ny fisondrotry ny vidim-piainana no jerena. Natsangana etsy sy eroa ny hopitaly manara-penitra ary nolazaina fa tsy handoavam-bola ny fitsaboana. Iaraha mahalala ny fimenomenonan’ny manana marary rehefa mandeha any amin’ireny toeram-pitsaboana ireny fa dia takiana saram-pitsaboana izay mandeha any.

Maty antoka ireo mpampiasa angovo eo amin’ny asam-pivelomana satria dia mampiteny ny moana ny delestazy maharitra ora maro manerana ny Nosy. Efa betsaka ny hetsika nataon’ny mponina momba ny fahatapahan’ny rano kanefa tsy mahita vahaolana momba ireo ny Jirama, mba tsy ilazana hoe ny mpitondra. Toa manosika hilaza fa tiana ho vonoina koa ity orinasam-pirenena ity ka homena ny tsy miankina indray ny fitantanana azy. Vao omaly ny omaly ny filohan’ny Repoblika no niaina ny fahatapahan-jiro, minitra vitsy, raha nikabary teny amin’ny CCI Ivato, ka nanontany hoe misy tomponandraikitra ve ao amin’ity toerana ity. Toa tsy mahafantatra hoe izany no iainan’ny vahoaka Malagasy andro aman’alina. Tsy misy valaka amin’ny orinasam-pirenena Air Mad izay tena fanahy iniana mihitsy ny namotika azy ka nanangana ny Madagascar Airways izao fitondrana izay. Mitovy amin’izany koa ny fampotehana ny mpandraharaha Malagasy eo amin’ny sehatra fanafarana entana ilain’ny mponina andavan’andro ka namoronana ny SPE.

Tato anatin’ny herinandro vitsivitsy, ankoatry ny asan-dahalo any amin’ny Faritra maro eto amin’ny Firenena mandavan-taona, dia mahazo vahana ny fakana an-keriny an-tanàn-dehibe. Aman-jatony maro ny jeneraly sy ny manamboninahitra ambony ary amin’arivony maro ny mpitandro ny filaminana kanefa dia manjaka tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana ka mihorohoro ny vahoaka. Rehefa valiana ireo fanontaniana napetraky ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fampielezan-kevitra ireo amin’izao fotoana izao dia mifototra any aminy ihany satria tsy manana vahaolana amin’ireo izy ankehitriny.