Tsy fanajana demôkrasia sy lalàna eto – Nihaona tamin’ireo ao amin’ny HCDDED ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Noho ny tsy fanajana ny demôkrasia sy ny fanjakana tan-dalàna, ataon’ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana, ary ho fanamafisana ny antso efa nataony, nihaona tamin’ireo ao amin’ny HCDDED: Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et l’Etat de Droit, notarihan’ny filohany Pierre Lenoble, teny Soanierana omaly, ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasiônalin’ny antoko TIM.

Heverina fa voaresaka tamin’izany, izay tsy fanajana ny demôkrasia izay, sy ny tsy maha tan-dalàna ny fitondrana misy amin’izao, ka nanairan’ny filoha Ravalomanana ity rafitra ity hijery akaiky izany, sy handray ny andraikitra tandrify azy ny mahakasika izay. Heverina fa voaresaka koa ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, indrindra ny momba ny ho fiatrehantsika ny fifidianana ho avy, izay mampanahy ny maro ny mety hisian’ny korontana, raha tsy ho tanterahana mialohan’izany ny fikaonandoham-pirenena, hijerena ireo vaha-olana mahakasika ireo olana rehetra manodidina ity resa-pifidianana ity, toy ny resaka lisitra, ny rafitra mitantana fifidianana,… Ka ho eken’ny rehetra ny vokatra hivoaka avy eo, rehefa voavaha mialoha ireo olana samy hafa.