Isandra Matsiatra Ambony – Misy fitifirana olona mampiahiahy ataon’ny mpitandro filaminana

Stefa

Maty voatifitry ny mpitandro filaminana tany Isandra faritra Matsiatra Ambony i Zàma, voarohirohy ho dahalo mpangalatra omby any amin’iny faritra iny. Maro ireo dahalo no maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana tato anatin’ny herinandro tany Isandra. Nisy ireo lavo teo am-panatanterahana ny asa ratsiny, fa nisy ihany koa ny taorian’ny famotorana.

Isan’ireo mifanome tànana amin’ny famongorana ny asan-dahalo ny fokonolona. Tsotra ny azy ireo, maso solon’ny maso, aina solon’ny aina. Isan’ny tranga nisongadina ny herinandro lasa teo tany Ambondrona Isandra ny fitifiran’ny mpitandro ny filaminana olona iray antsoina hoe Zàma. Mbola mitohy ny fanadihadiana anamarianana na tena dahalo tokoa na olo-marina ity voatifitra ity.

Ny zava-nitranga ny talata 10 mey 2022 lasa teo, tamin’ny 05 ora sy sasany hariva dia voatifitry ny mpitandro filaminana i Zàma, rehefa voatondro ho dahalo. Raharaha halatr’omby efa tamin’ny taona 2016 no antony nitifirina azy. Voalaza fa an’i Zàma io omby very io. Hitany tany amin’ny tsenan’Andohasana Lalangina ilay omby sy ny olona nitondra azy, ny alatsinainy 9 mey 2022 lasa teo, izay tsy nahitany taratasy mazava rehefa nofotompotorany. Niaiky ilay lehilahy voalaza ho mpangalatra, fa haka ny taratasin’omby any an-tranony. Nivadika anefa io, ka niantso fokonolona tany Andremizaha, mba hisambotra an’i Zàma. Ity farany izay notondroiny ho mpangalatra. Notazonina tany Nasandratrony ny alatsinainy 9 mey i Zàma ary nentina tany Isorana ny talata hariva faha 10 mey, ka teo no nisian’ny fitifirana.

Namela kamboty efatra (4) i Zàma, ary vao 7 andro ny zandriny indrindra. Nanamafy ny fianakaviany fa olo-marina izy. Ny ombiny no very ny taona 2016 ary tratrany ny 9 mey 2022 lasa teo. Manoloana ity tranga ity, dia manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra ambony misahana ny fitandroana ny filaminana izy ireo, ny mba hampanjakana ny rariny sy ny hitsiny. Tokony hisy ny fanadihadiana lalina, hoy izy ireo, mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra.