AIZA HO AIZA IREO TRANO DIMY ALINA ?

Aiza izao ireo tranobe izay nolazaina fa hatsangana,
Sa tsy anjaranay indray ilay hoe misitraka an’izany?
He jereo ny vidim-piainana fa vao mainka koa midangana.
Izao no ilàna “trano mora”, nefa lainga foana hatrany!

“Iray alina isan-taona” no noheverina hajoro.
(Toky fitaka rey olona fa ny atao tokoa no hita!)
Ireo ekipa ve no miesona na koa midororororo?
Telo taona no efa lasa, na ny arivo aza tsy vita!

Iretsy tranobongonay dia toa vao mainka koa azera,
Fa omena ny karana sy sinoa irony tany.
Ry mpitondra tia mandainga o! aza faly mihoerahoera.
Iza no hatavizina eto, sa ireo vahiny hatrany?

Aiza izao ireo tranobe, sa ny anareo no ‘ndeha hisaina,
Dia ireo anareo manokana izay najoro tato ho ato?
Ry mpitondra tia tena sy tia vola o! mbà misaina.
Aza dia mandainga intsony sao dia ho voatora-bato!

IRINA HO TAFITA (Mey 2022)