Tsy mbola milamina ny Anjerimanontolo – Hikatona mandritra ny 72 ora ny Oniversite hanomboka anio

Franck Razakambelo

Miato tanteraka hanomboka anio alakamisy ny fampianarana eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo ary tsy hifarana izany raha tsy amin’ny sabotsy 21 Mey 2022 ho avy izao. Io no fanapahan-kevitra noraisin’ny mpikambana ao amin’ny Seces sampana Antananarivo, nandritra ny fivoriana nataon’ireto farany omaly maraina, teny Ambohitsaina.

Nanazava ny Profesora Ravelonirina Sammy Gregoire, filohan’ny Seces Antananarivo, fa fitokonana fanairana ny fitondram-panjakana, mba hamerina indray ilay Lalàna mifehy ny fizakantenan’ny Oniversitem-panjakana sy ny foibem-pikarohana nasiônaly, no anton’ny fanapahan-kevitra. Vokatr’izany mitsahatra tanteraka ny fanadinana rehetra hanomboka anio, miato ny fanehoana ampahibemaso ireo seho-karoka rehetra eny amin’ireny “Ecole Doctorale” tsirairay ireny, tsy manao ny asany intsony ireo mpampianatra raikitra sy ny mpampianatra manao asa-tselika eny anivon’ny Oniversite.

Nanamafy ny Profesora Ravelonirina Gregoire, fa hiantso Delegen’ny mpianatra, filohan’ny kilasy, ny filohan’ny fikambanana ara-pedagôjika ny Seces Antananarivo amin’ny Alatsinainy ho avy izao, hanazavana amin’ireto farany ny antony mahatonga ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra, miroso amin’izao fanapahan-kevitra izao ary mbola hiantso fivoriana amin’ny mpikambana Seces Antananarivo amin’ny Alarobia ho avy izao ny birao, mba hanaovana tatitra amin’ny mety ho fivoaran’ny toe-draharaha, na hiverina amin’ ny fampianarana, na mbola hotohizana ny fanakatonana manontolo ny Anjerimanontolo.