Raharaham-pirenena – Mivaly tsikelikely amin-dry Rajoelina ny tsy rariny ataony

Maro ireo manampahefana na ngetroka fahiny no efa tsy miasa, miala sasatra, miandry ny volan’ny fisotroan-dronono isan-telo volana eo sisa, ka tsy mahita afa-tsy ny any ambanivohitra raha fintinina. Tsy vitsy amin’izy ireny anefa no mbola manipy teny aty amin’ny gazety manambara fa: “Mivaly tsikelikely amin-dRajoelina ny tsy rariny nataony tamin’ny taona 2009”, raha ampitahaina amin’ny toe-java-misy sy ny fiainan-tsarotra amin’izao fotoana.

13 taona lasa izay, isa izay tsy foin-dRajoelina mihitsy raha atao bango tokana, nefa dia vintan-dratsy ho an’ny hafa ihany, toy ny tsy nisy mihitsy izany fitondrana Rajaonarimampianina izany, fa tonga dia raiki-tahotra enjehin’ny tsy rariny natao tamin’ny 2009 sy ny tetezamita ireny, ka mbola mitady hatrany izay fomba hibahanana an-dRavalomanana amin’ny fotoam-pifidianana 2023 manaraka eo ry Rajoelina. Hita sy tsapa mantsy fa efa tena sahiranana tokoa ra-malagasy, misondrotra be ny vidim-piainana, tsy mifanaraka amin’ilay FENITRA dradradradraina etsy sy eroa intsony, ka voatery nindrana maneran-tany indray nefa efa nanaovana vava tsy ambina izany. Hasondrotra ny karaman’ny mpiasa (smig ), nefa samy mahatsapa fa tsy vaha-olana mihitsy izany, ny eo ihany no eo hoy ireo ngetroka fahiny sendra anay, ary vao nilaza Rajoelina fa hiampy 25% ny karama farany ambany indrindra efa saro-bahana ihany, dia niteny koa ny mpivaro-kena sy anana, fa haka ny anjaranay koa izahay amin’ireo entana kely mba hamidinay. Ny fitaterana moa efa nanipy feo ihany fa hiakatra 700ar hatramin’ny 1000ar ny saran-dàlana atsy ho atsy raha tsy voafehy io vidin-tsolika io.

Fomban’ity fitondrana ity ny manao hoe: 60 taona mahery izay; tsy mbola nisy nahavita ny vitan’ity filoha ity, marina avokoa ny ambarany satria mbola boaikely taty aoriana izy, nefa raha izay no fintinina dia hoe: Efa nisy koa angaha ny covid 19 tany aloha? efa niady ve ny rosiana sy ukrainiana? efa nifamahofaho be toy izao ve ny karama sy tambin-karama? nefa dia toa mialokaloka amin’ireny tranga ireny hatrany, ny grevy miparitaka, orinasa simba, tsy asa mitombo tsy an-kiato, mpanolana sy mpangalatra mitombo tsy misy farany nefa dia toa lasa ko-vavany fotsiny hatrany. Ireo efa zokiolona, be taona, moa raha sendra anay teny atsimondrano, Antsahadinta, Alakamisy fenoarivo sy ny manodidina dia nanambara fa NENINA ireny fanohanana an-dRajoelina tamin’ny tetezamita ireny, satria na ny Ceni(T ) aza dia efa paika ratsy avokoa tamin’ izany fotoana, ka lasa Ceni + Doublon/triplon indray taty aoriana.

Nilaza koa ireto sendra anay, oviana tamin’izao fitondrana izao no mba niantsoantso ny tafika, zandary, polisy…. ka hanao hoe: avohay, aiza? asondroty, na handao hanao grevy sy ny sisa, satria ilay GALONA no atao saron-tava, takon-kenatra raha atao in-dray mijery.