Politika – Ho very hasina hatrany ny Fitsarana raha tsy mitandrina

Sôh’son

Nisy trangana raharaha maromaro teo anivon’ny fitsarana tato ho ato izay nisarika ny sain’ny mpanara-baovao maro. Raharaham-pitsarana izay manahirana ny sain’ny mpandala ny demôkrasia eto amin’ny firenena. Ny tsikaritra, dia zary toa miverina indray ny kisarisarina tsindry mahazo ny fitsarana amin’ny fandinihana ny raharaha tsarainy.

Anisan’izany, ohatra raha tsorina, ny raharaha momba ireo mpanolotsaina roa eo anivon’ny kaomina Antananarivo renivohitra (CUA), izay niakatra teny amin’ny Fitsarana Anosy andro maromaro lasa izay. Iaraha-mahalala aloha izany izao, fa tsy mbola nitsara sy namoaka didim-pitsarana ny tribonaly. Ny tsapan’ny olom-pirenena anefa, dia toa misy ambadika politika sy tsindry ihany ao anatin’ny resaka. Vao tsy ela koa anefa, dia misy mpanao politika mitady hitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana, toy izay nitranga tany Mahajanga, ary nanampy izay ny fitabataban’ny solombavambahoaka nampiaka-peo nandrahona ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) amina raharaham-pitsarana. Efa nilaza ny heviny momba izany ny ankilany araka ny fampitam-baovao amin’ny fitaovan-tserasera.

Niaraha-nahalala, fa nisy fotoana, tafiditra lalina, mba tsy ilazana hoe voafatotry ny mpanao politika teo amin’ny fitondrana ny Fitsarana. Izany hoe notsindrin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna ity fahefana fahatelo ity. Niseho izany tamin’ny andron’ny tetezamita nanomboka ny taona 2009, niakaran’ireo mpanongam-panjakana teo amin’ny fitondrana. Ankoatra izay, nanampy ireo ihany koa izay mpanambola manam-pahefana, ka nahatsiaro ho tratry ny tsy rariny sy tsy hitsiny ny vahoaka madinika na ny sarambabem-bahoaka. Toa tsy natao ho azy, ireto sokajin’ny maro an’isa ireto, ny fitsarana raha ny fahitany azy tamin’izay. Nahavery hasina ny Fitsarana teo imason’ny vahoaka izany toe-javatra izany. Taty aoriana, nisy ny mba ezaka nanarenana izany, nisy vokany kely kanefa tsy mbola tafaverina tamin’ny toerany na ny hasiny ity fahefana mpitsara ity.

Tokony mbola hitohy izany ezaka izany, ary mbola mila ezaka be, kanefa izao indray toa zary hafahafa ny lalany izorany raha ny fahitan’ny mpandinika ny fiainam-pirenena. Tsikaritra koa anefa, fa mbola misy ihany ao olona, mpitsara, saropiaro amin’izay hasina sy fahaleovantenan’ny fitsarana izay ao, ary miady amin’izany hatrany.