MBA JEREO KOA NY TANTSAHA

Fambolena, fiompiana, ireo no tokony hotohanana,
Malagasy maro mantsy no hita fa mivelona ao.
Kanefa hita miharihary ny hadontoana sy havendranana,
Fa ny momba ireo indray no tena atao ankilabao!

Tsy misy fantatr’i Boaikely izay tontolo ambanivohitra,
Ka tsy hainy, tsy ao an-tsainy ny hanampy ireo tantsaha.
Raha vao misy tolo-kevitra miainga avy amin’ny mpanohitra,
Dia tena laviny fa hoe manoro vohony azy angaha!

Amin’ny Malagasy zato, valopolo no tantsaha.
(‘Zay fampiakarana karama, tsy hitera-bokatra aminy!)
Ka dia tena rediredy sady tsy hanova “raha”,
Ny tetikadin’ny mpitondra sy izay mety ho rindrandaminy.

Fambolena, fiompiana, ireo no ataovy lohalaharana.
Raha be ny vola ho avy, aoka ireo mba tsy ho gisitra.
Masomboly miampy zezika sy fitaovam-pamokarana,
Toy ny hoe trakitera, izay no ataovy lohalisitra.

…Dia tohano ny tantsaha, omeo izay vatsy mba sahaza,
F’aza ny any an-drenivohitra, ireny hatrany no jerena.
Tsy handroso i Gasikara fa vao mainka hihemotra aza,
Raha ny manana hatrany no ampiana sy omena!

IRINA HO TAFITA (04-05-22)