Raharaham-pirenena – Niaiky ny hadisoany tamin’ny taona 2009 Rajoelina

Sôh’son

Misarika ny saina ny fanehoan-kevitr’ireo mpamakafaka ny raharaham-pirenena momba ny zava-nitranga tany Andekaleka, sy ny fihetsiky ny fitondrana tao anatin’izany, na ny momba ny tsoa-keviny nahatonga ny fahamaizan’ny fitaovana, na ny volabe nanambazana izay manome vaovao amin’izany. Fijery iray ihany koa manampy ireny, ny amin’ny fiheverana fa misy indray ny politika fanodinana ny saim-bahoaka tsy hibanjina hifantoka amin’ny fahasahiranany sy ny fihanaky ny valanaretina. Efa fanaon’ny fitondrana ihany mantsy izany, izay tsikaritra rehefa misy toe-draharaha mafampana eto amin’ny firenena. Anisan’ny maresaka ao anatin’izany ny fitaterana an-tariby « teleferika » ity, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny raharaha volamena mibananàka mivoaka eto Madagasikara ary any amin’ny firenen-kafa vao tratra, sns…

Izay eo ihany, fa ny tiana horesahana, dia ny filazan’i Andry Rajoelina, fa mila in’efatra mifanesy amin’ny fe-potoana iasàna, na ny « mandat » vao tontosa na tratra ny tanjona amin’ny fampandrosoana ny firenena. Efa nisy ny fanehoan-kevitra nataon’ny olom-pirenena na mpanao politika momba izany, fa izao no tsy voalaza. Midika izany, fa miaiky izy ary tonga saina, fa nanao hadisoana tamin’ny firenena, sy indrindra tamin’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny fotoana nitondràn’i Dada. Iaraha-mahalala fa fe-potoana niasana iray mahery no vitany, 2001 – 2009, dia ireny niaraha-nahita ny hasomparana nataony tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana ny taona 2008-2009 ireny. Niaraha-nahalala tsara anefa, ho an’ireo mahitsy fijery sy madio fo, fa efa antomotra mihitsy ny hahatafavoaka an’i Madagasikara, sy hisandratra tamin’iny taona 2009 iny. Efa tafakatra ho 7% ny taha-pitomboana ara-toekarena tamin’izany. Noho ny fankahalàna fotsiny izao, sy ny fananana toe-tsaina ory hava-manana, sy ny fahaverezana tombontsoa no antony naminganana azy. Ho an’ny filoha Ravalomanana, tsy mila in’efatra ny “mandat” iasàna vao maha tafavoaka ny firenena, fa latsak’izany. Miharihary araka izany ny tsy fitoviana eo amin’ireto olona roa ireto eo amin’ny fahaizana mitondra firenena na ny haitarika. Raha tsy hilaza afa-tsy ny fahaizan’ny filoha Ravalomana mifehy ny mpamatsy vola sy ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny fotoana nitondràny, fa tsy toy ny ataon’ny fitondrana Rajoelina, izay asain’ny olona mamerina ny volany.

Ankoatra izay, dia mahavariana ihany, fa raha tsy efa mitondra firenena telo taona ve i Andry Rajoelina vao mahatsapa izany, kanefa milaza ho mahay sy babany noho ireo mpitondra teo alohany? Inona fotsiny izany no nataony nandritra ny tetezamiitatra dimy taona, izay efa “mandat” iray be izao? Nitondra tsy am-pisainana lalina ny firenena, fa nandeha amin’izay hitsiny fotsiny ve tamin’ireny fotoana ireny? Ary raha nandinika ny fitondrana talohan’izao izy, nialoha ny niakarany teo amin’ny fitondrana, dia efa afaka nisinton-kevitra ihany koa. Tsy atao kitsapatsapa sy andrankandrana ny fitondrana ny firenena ary rariny ireo mpanohitra raha sarotiny mafy, sy mitsikera fatratra ihany koa izao fitondràny izao, fototry ny demokrasia izany, nefa odian-dRajoelina sy ny forongony fanina koa hatramin’izao, izay satan’ny fanoherana izay.