Fitantanana tanàna – Maloto sy potika Antananarivo Renivohitra

Stefa

Maloto sy potika Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoana, izay no azo amehezana ny zava-misy eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara ankehitriny, tsy voafehin’ny ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina sy ny ekipany mihitsy izany atao hoe fitantanana tanàna. Tsy afaka ny fako amin’izao fotoana na dia efa ny kaominina ihany koa aza no mitantana ny sampan-draharaha mpanala fako, fa tsy toy ny teo aloha intsony. Ny lalana dia mampiteny ny moana, saika potika avokoa efa volana vitsivitsy izao ny ankamaroany, izany dia miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana, sy fahapotehan’ny fiaran’ny mpampiasa lalana indrindra indrindra ihany koa.

Nodradradradraina ny hoe “rehefa prezidà MAPAR/IRK miaraka amin’ny Ben’ny Tanàna MAPAR/IRK no hitondra an’Antananarivo dia handroso haingana. Fihemorana aza no hita ankehitriny noho ireo loto mivangongo sy lalana potika ireo. Ny mpivarotra amoron-dalana manginy fotsiny tsy voafehy, satria dia miverina eny amoron-dalana indray izy ireo, tsy mamaly ny filan’ireo mpivarotra ny trano lehibe fivarotana nataon’ny kaominina raha tsy hiteny afa-tsy ny etsy Behoririka. Mandat na fotoam-piasana iray aza tsy vitan’i Vazahabe koa fotoam-piasana inona koa no mbola hantenainy eo amin’ny taona 2023? Tsy adala ny vahoakan’Antananarivo ary efa mailo amin’ny mety hisian’ny doublons indray amin’ny fifidianana.