Mpitondra sarotra’CAN – Tsy misy CAN, tsy misy jiro, tsy misy rano, tsy misy…

Ny Valosoa

Hay tokoa moa rehefa mandeha ny andro, volana, taona dia heverina toy ny tsy nisy ireny rehetra ireny. Mba naka mora fotsiny ahy teo ambony fandriana hoe hijery CAN amin’ny TVM, fa hoe handeha mivantana ao; gaga aho: manonofy ve aho sa tsy TVM no nalefako fa toa tsy nandeha leaza hoy ny fitenin-jatovo izay. Nitodika tampoka tany amin’ny taona 2018 ny saiko. Hoy ny mpanao gazety nametraka fanontaniana tamin’izay: raha tonga eo amin’ny fitondrana ve ianao andriamatoa filoha, manome toky fa halefa mivantana ao amin’ny TVM daholo ny CAN, MONDIAL? ENY avy hatrany no valin-teniny, nihoraka ary tehaka tsy nisy ohatr’izany tao an-trano, eny fa na ny moana sy ny marenina aza dia mba faly ery tany ho any. Ankehitriny tonga ity ny CAN, hay tendan-CAN sy sarotra’CAN koa ny televiziona-nay.

Dia mbola nipetraka ho nofinofinofy ary nampanofisin’ny taon-dasa sy ny alina mangina moa zany ny tenanay sy ny maro. Raha mba nitovy daholo mantsy ny fahefa-mividin’ny malagasy rehetra dia nandeha be ny televiziona satelita: Canal+ sy ny Startimes. Nefa moa raha samy hiala vola tsy aleo ve izay hahavoky ny kibo sy ny hahasalama no atao, aleo lazaina tsy maharaka any anaty haino aman-jerim-panjakana, toy izay mivezivevy ny fanahy. Tsy aleo ve miasa mangina mahavita zavatra toy ireo mpitondra mahavita mampandroso ny fireneny, toy izay hilaza hatsanga tsy aman’orana foana. Ny fahanginana anie midika fandeferana fahendrena e, dia mbola tsy leo MORA lava izao moa isika fa vao maheno io dia tehaka re zao. Tena tanteraka moa izany ilay hoe tsy mbola nisy nahavita ny toy ny vitan’ity fitondrana ity tao anatin’ny 60 taona.

Mandroso ve izany isika amin’izao sa mihemotra mankany amin’ny voalohany avy any aoriana! Dia mbola ho hanonofy foana aloha isika Malagasy. Dia hoy ilay ray aman-dreny efa lasan-ko razana hoe: ” fohazy aho rehefa mandroso i Madagasikara”. Ny sasany manao io teny io ho tsy misy dikany, ao ireo manao io ho adaladala, fa izaho kosa miteny hoe: teny fampisainana an’ireo mpitondra tsy mahavita azy amin’izao fotoana izao io, ny miala no mety aminy fa mampijaly vahoaka fotsiny: izao tsy misy CAN, tsy misy jiro, tsy misy rano, tsy misy lalana tsara, tsy misy…