EDITO 25 Novambra – Comesa – Tsy nisy zava-bitan’ny fitondrana Rajoelina izany

0Helisoa

Nahomby hono ny fitantanan’i Madagasikara ny vondrona ara-toekarena aty Afrika atsinanana sy atsimo, na ny COMESA (Common Market for Eastern and Southern Africa), araka ny fanambarana nataon’ny gazetin’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriantongarivo.

Maro no manontany tena hoe fahombiazana tamin’ny inona ity ireharehana ity satria na ny Malagasy aza tsy mahalala akory izay zavatra nataon’i Andry Rajoelina nandritra ny fotoana nitondràny ity COMESA ity. Ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina no filohan’ny Comesa, niova ny mpitondra teto amintsika tamin’ny 2019 dia niova koa ny mpitantana ny Comesa.

Tsy hita ary tsy misy zavatra mivaingana ny vitan-dRajoelina nandritra izany nitondran’i Madagasikara ity Tsena Iombonana ity izany. Raha ny eto Madagasikara no asiana resaka dia latsaka ambany dia ambany ny ara- toekarena. Mikaikaika avokoa ireo orinasa satria tsy mba nisy ny fanampiana avy amin’ny fanjakàna tamin’ny nisian’ny valan’Aretina CORONAVIRUS, indrindra ireo orinasa Malagasy. Raha eo amin’ny lafiny fiompiana sy fambolena ary ny jono izay fampidiram-bolan’ ny 85% ny Malagasy dia atao ambanin-javatra izany. Ao anatin’ny tetibolam-panjakàna dia ambany ny tetibola natokana ho amin’izany, nefa iankinan’ny ain’ny Malagasy maro an’isa.

Ankoatra izay, miaina ao anaty fahantrana lalina tsy hita izay ho sarangotina ny vahoaka Malagasy, nefa foto-drafitrasa tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina no hihazakazahana. Ny vidim-piainana midangana tsy takatry ny fahefa-mividin’ny vahoaka intsony. Fampanantenana sambo mitondra vary sy PPN no atao, nefa vahaolana maharitra ve izany? toa tsy hita akory aza izay niafaràny.

Raha lazaina fa fahombiazana ny fitantanana ny COMESA, dia inona izany no mba tombontsoa nentiny ho an’ny fiainan’ny vahoaka Malagasy 25 tapitrisa mahery? Ny malaza aloha eto dia ny werawera araka ny fitenin’ny tanora amin’izao, fa tsy misy zavatra mivaingana mba hita. Lasa any amin’ny CORONAVIRUS ny rihatra rehetra, satria io hono no nanimba ny toekarena teto Madagasikara nahatonga ny fampanantenana tsy vita, izay ilay hoe miala pà araka ny fitenin-jatovo ihany. Ilay fitondrana Rajoelina mihitsy no tsy mahavoa, ka tokony hiala, na hoesorina!