Raharaham-pirenena – Hanao azy amin’izay ny FFKM

Ny Valosoa

Somary nangingina ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), izay ivondronan’ireo fiangonana efatra lehibe indrindra sy mahenika ny firenena manontolo dia ny “Eklezia Episkopaly Malagasy na EEM”, ny “Eglizy Katolika Apostolika Romana na EKAR”, ny “Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM” ary ny “Fiangonana Loterana Malagasy na FLM”.

Nankalaza ny tsingerintaona faha-40 nijoroany ny “Ffkm” tamin’ny taona 2020, satria ny taona 1980 no taona nijoroany, semban-drahona ny fanamarihana io fahaefapolo taona io, satria nodimandry tamin’io 1980 io ny Pastora Rakotonirina David Filohan’ny “Flm” sady Filoha amperinasan’ny “Ffkm” tamin’ny taona 2020, noho ny valanaretina coronavirus.
Raha tsiahivina ny antom-pisian’ny “Ffkm” dia hanamafy ny firaisampinoana eo amin’ireo fiangonana tranainy, ao anatin’ny fanajana tanteraka ny foto-pinoana izay mety hisy fahasamihafana kely, fa ankoatr’izany dia manambatra ny heriny ireo fiangonana lehibe tranainy miara-mibanjina izay mahasoa ny firenena, ka tsy mitsitsy fitenenana mihitsy ny “Ffkm” rehefa mibirioka any amin’ny lalana tsy izy ny fitondrana ny firenena.

Nampiseho ny heriny sy nirotsaka namaha olana teto amin’ny firenena ny “Ffkm” tamin’ny taona 1991 sy 2002, fahombiazana ny vokatra azo tamin’izany, saingy tamin’ny taona 2009 dia nandamoka ny fanelanelanan’ny ” Ffkm”, ka niafara tamin’ny faharavan’ny fitondrana lanim-bahoaka ara-dalàna izay mbola mampilentika antsika hatramin’izao, voatery nisintaka kely mihitsy ireo ray amandrenim-piangonana taorian’io zava-doza nanjo ny firenena io, nandamina ny tao anatiny aloha vao niverina indray tamin’ny asa fandaminana teto amin’ny firenena.

Nofoanan’ny Filoha ankehitriny ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona nanomboka tamin’ny taona 2020, saingy ireo ray amandreny avy ao amin’ny “Ffkm” dia tonga teny an-dapa foana niarahaba an’Ingahy Filoha, noho ny fanajana ny ray amandreny mpitondra, izay tokony ho andraikitr’ireo mpitondra fivavahana. Maro anefa ireo alaim-panahy mihevitra mihitsy fa nahazo tampim-bava tany an-dapa ireo ray amandreny ireo matoa tsy miteny manoloana ny tsy ara-dalàna manjaka eto amin’ny firenena.

Tokony ho esorin’ny vahoaka kristiana antsaina izany fanahiana izany, satria raha misy ny olona azo antoka indrindra tsy ho azon’ny kolikoly dia ireo ray amandrenim-piangonana.
Amin’ity herinandro ity no ho tanterahina ny fihaonamben’ny “Ffkm” ary handray anjara ireo olon’ny fiangonana avy any amin’ny faritra, ny Alarobia 24 Novambra 2021 amin’ny 7 ora sy sasany maraina, no ho tanterahina eny amin’ny “Flm” Ambolonkandrina ny fotoampivavahana fanokafana ary ny Alahady 28 Novambra 2021 amin’ny 2 ora sy sasany ny fotoampivavahana famaranana, izay ho tanterahina eny amin’ny” Ekar” Ambohipo, ny fifampidinihina kosa dia ho tontosaina eny amin’ny “Cenacle” Ambohipo.

Ny fehinkevitra izay hivoaka dia antenaina, fa tsy hivaona amin’ny filamatry ny “Ffkm” dia ny 4F : Fiainkenkeloka, Fibebahana, Fahamarinana, Fihavanana, satria ny fiangonana dia azo antoka fa tsy maintsy hijoro noho izy ireo vavolombelona eo anatrehan’Andriamanitra sy Jesoa Kristy, ka inoana fa hitondra hafatra goavana handrava izay manimba ny firenena sady hanangana izay mifanaraka amin’izay sitraky ny avo. Raha fehezina dia hanao azy amin’izay ny FFKM.