EDITO 23 Novambra – Antananarivo Renivohitra – Tsy mbola voadion’ny CUA ny tanàna

Radafy

Tsy madio Antananarivo Renivohitra hatreto, izay no toe-javatra hita. Tsy hoe akory ny fialan’ny fako na tsy fisian’ny fivangongon’ny fako eny amin’ireo daba lehibe sasantsasany natao fanariam-pako no ilazana fa madio ny tanàna. Tsia, fa ny toerana sy faritra samihafa rehetra no tsy maintsy jerena ao anatin’izany. Feno loto sy fako, ohatra, ny faritra manamorona ny renirano Ampefiloha Ambodirano iny. Isaky ny firy metatra dia ivangongoan’ny fako sy loto amin’iny lalana miainga avy aty Ampasika mandalo ny Epp Ampefiloha Ambodirano ary mivoaka eny Ilanivato iny. Somary miafinkafina lavitry ny arabe ifamezivezen’ny fiara angamba izy iny, ka tsy voaresaka firy amin’ny fahadiovana. Mbola ao anatin’ny fiadidian’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) anefa iny toerana iny.

Fako sy loto no tsikaritra ary tena miaina ao anatin’izany ny mponina. Mba mandry ihany ny sain’ny tomponandraikitry ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra, sy indrindra ny Ben’ny tanàna Vazahabe amin’izany toe-javatra iainan’ny mponina ao aminy izany. Izy ireo izay migalabona amin’ny harena sy ny fiadanana mbamin’ny toeram-piasany faratampony amin’ny fahadiovana ao aminy. Tamin’ny nanao fampielezan-kevitra anefa, hay ery ny mody nitsidika ireny faritra ambany tanàna ireny nanao fampanantenana be, mba hamita-bahoaka. Ankehitriny, tsy hita izay fikarakarana azy. Zaza sy ankizy marobe anefa no monina eny sy miaina izany. Tsy misy zaza sy ankizy tsinjovin’izao fitondrana izao izany eto raha ny fahitana ny zava-misy eny, fa fihatsarambelatsihy no betsaka. Ny mpandalo no sorena sy kivy amin’ny zava-misy, fa toy ny tanàna tsy misy mpiahy. Asakasak’izay mbola mora fitahina ihany.

Santionany ihany ny eny, fa maro ireo faritra na fokontany anjakan’ny fako sy loto eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Tsy mbola fantatra izay hivahan’ireny olana ireny, satria ny fitondrana ankehitriny manao politika mibanjina ny fifidianana amin’ny 2023 raha ny fihetsiny amin’izao fotoana izao. Ho adino ny vahoaka sy ny fahadiovan’ny tanànany, ary ny fahasalamany.