AZA ATAO RESA-JAZA

Ankizy indray no mody antsoina hitafana sy hiresahana,
Fa mitohy ny “resa-jaza” sy karazam-pamitahana?
Moa matahotra hosedraina sy hotsapaina amin’ny memy,
Dia nalaina hiaka-tsehatra ireo “tsy mikaton-dohamalemy”?

Lohahevitra tsy hainy sy tsy mbola tena takany,
Dia arosonao sahady sy terenao mba ho zakany?
Sa ianao no tsy mivoatra fa dia toy ny omaly ihany,
Dia ilay mbola toy ny “zaza folo taona” hatrany hatrany?

Moa matahotra hifanehatra amin’ny ngeza sy ny favo,
Dia ny ankizy no atao tohatra hihanihanao ny avo?
“Inona àry akia no idirany” amin-javatra toy itony,
Sa ianao no efa matahotra ny hianjera avy eny ambony?

‘Ndeha ovay ny lohahevitra, aok’izay ny ambozizy,
Fa manjary hihomehezana ity ilay hoe “demokr’ankizy”.
Olona efa feno taona no antsoy hifanandrinana,
Mba ho hitanay tokoa raha afakao ny fanadinana!

IRINA HO TAFITA (21-11-22)