EDITO 9 oktobra – Tahan’ny fahantrana tsy miova, midika ho tsy nisy ny fampandrosoana

Sôh’son

Miha-misoka hatrany ao anaty fahasahiranana sy fahantrana lalina ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao. Tsikaritra tsara izany amin’ny fomba fanjifany ny entana sy sakafo eny an-tsena. Mbola hitombo anefa izay olany izay miditra amin’ny fiafaran’ny taona, satria eo indrindra no tena hisian’ny fidangan’ny vidin-javatra. Mandritry izay indrindra anefa dia tsy misy hafitsoka ny fitondrana amin’ny vahaolana iatrehana izany, fa avela ilay vahoaka hiharitra ny mafy eo. Ny ataon’ireo olona eo amin’ny fitondrana izay migalabona amin’ny tombontsoa be sy harembe azo dia eo amin’io fotoana io no isehony amin’ny fananany. Misy mihitsy ireo mandeha mankany ivelany no mifety mandany volabe amin’ny fetin’ny krismasy sy ny fetin’ny faran’ny taona sy taom-baovao. Mpitondra minia mikimpy amin’ny fahorian’ny mpiray tanindrazana aminy izany.

Tsy misy antenaina amin’izao fitondrana izao, amin’izay hahatsara ny fiainam-bahoaka andavanandro. Efa hita izay ny telo taona nitondrany, sy efa hita niharihary koa izany tamin’ny tetezamita naharitra dimy taona ngarangidiny. Nisy fampanantenana be natao tamin’ny vahoaka tamin’izany, fa niaraha-nahita ny fahavoazany. Izao indray mbola mitohy izany. Voafitaka voalohany azo lazaina ho tsy nahy; voafitaka faharoa efa hadisoana; ary raha mbola misy fanintelona ny hahavoafitaka efa tena hadalana mihitsy. Impiry hamitaka vahoaka izao fitondrana izao? Ary manaiky hofitahina impiry izy? Niaraha-nandre ny fampanantenana tamin’ny sakafo ilaina andavanandro, ohatra, hamidy amin’ny vidiny mora. Izao iaraha-mahita sy miaina tsara ny fidangan’ny vidiny ny rehetra. Izao indray nidehaka ho mahita vahaolana amin’ny alalan’ny fanafarana sambo 20 hitondra entana fanjifa andavanandro. Tsy azo inoana velively hahavita ny vahoaka Malagasy manontolo izany, toy izay efa hita tamin’ny fanatanterahana ny vary mora sy ny tsinjo samihafa tao anaty krizy mafy tao anaty hamehana ara-pahasalamana.

Fomba ratsy fanaon’izao fitondrana izao ny manao izay hanariana dia ny sarambabem-bahoaka tsy hisaina lalina ny fahantrany. Atao avokoa araka izany izay azo isehosehoana rehetra fa hoe miasa ka manao izay “hahajemby” ny masom-bahoaka tsy hahita zavatra hafa. Dabohana teny tsara lahatra mampandry adrisa miara-dalana amin’izany hanasana atidoha izay marivo salosana. Fanaovana ity Nosy ity ho tsy misy hasina izany fihetsika izany. Raha mbola tsy miova ny tahan’ny fahantrana eto, ary tsy mbola mipàka any amin’ny ati-vilanin’ny vahoaka manontolo sy ny kitapom-bolany ny zava-misy, dia tsy mbola misy asa fampandrosoana izany, fa fitaka sy fihatsarambelatsihy no betsaka.