Fitondrana Rajoelina – Hodiany fanina izay hetsika tena hitondra fampandrosoana

Andry Tsiavalona

Telo taona aty aorian’ny nandraisan’izao fitondrana izao ny fahefana dia tsy mbola hita taratra ny fampiharana ny IEM, PEM, PGE, Velirano 13, fa manao sambo-dokotra izay tranga misy eo alohany fotsiny ihany. Rehefa mahita vahoaka manatrika azy ny filohan’ny Repoblika Rajoelina dia adinony avokoa izay rehetra efa nampanantenaina teo amin’io toerana io ihany tany aloha, ka hovainy zavatra hafa indray izany.

Entina manaporofo izany ny nanovàny ny « puce » saika napetraka, tsy voafaritra aiza amin’ny omby, ho « kavina » hapetaka amin’ny sofina indray. Raha izay no jerena dia tsy nisy mpamatsy izany ireo fitaovana tsy maintsy miasa miaraka amin’ny “puce”, toy ny “drône” sy ny solosaina ary ny angidimby, na tsy nahita vola nandoavana mialoha ny vidin’ireo fitaovana ireo, sahala amin’ny vola nentina nanaovana ny kianja « barea ». Izao vao voaporofo fa sady tsy nitondra fandresena ho an’ny ekipam-pirenena ny kianja manarapenitra no tsy niteraka fampandrosoana ny Firenena, na ara-toekarena, na ara-tsosialy, na ara-panatanjahantena na dia iray dingana aza.

Manampy trotraka izany ny nampiasan’ny filohan’ny Repoblika ny fitsarana nanatanteraka ny fandrahonana nataony tamin’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra (FMF), teny Ivato rehefa tafaverina any any Lafrantsa izy. Nomelohan’ny fitsarana folo taona an-terivozona sy handoa honitra dimanjato tapitrisa ariary ny filohan’ny Federasiona kanefa dia izao mbola resy izao indray ny Barea tany Congo. Nentanin-dRajoelina Andry ny tantsaha hamboly « artémésia » fa tsy hamboly vary intsony, satria nihevitra ny nanangana ozinina mpanamboatra CVO izy. Tsy ny tombontsoa ho an’ny tantsaha velively ny tao an-tsainy, fa ny bizina ho azy satria raha izay tokoa no tanteraka dia sady hanondrana CVO izy no hanafatra vary ho vidin’ireto tantsaha efa namboly zavatra tsy azony hohanina intsony. Amin’ny vato iray izany dia hanao poadroa (faire d’une pierre deux coups) ity filohan’ny Repoblika ity raha tanteraka ity teti-dratsiny ity.

Amin’izao fotoana izao, sambo roapolo no nafarany hitondra vary sy ireo zavatra ilain’ny mponina andavanandro, tsy vao izao izany no nolazain’ny filohan’ny Repoblika saingy tsy mbola nisy vola azo nosarangotina tamin’izany fotoana izany. Nararaotiny fa efa azo ampiasaina, hono, ilay vola 332 tapitrisa dolara avy any amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI), ka na mbola any an-kibon’ny omby aza izany vola izany dia efa nanafarana sambo roapolo sahady izy ary tsy mazava hoe vola avy aiza na volan’iza indray no nahafahany nanao izany, satria efa tonga ny sambo iray. Ny tena mahavariana amin’ity fitondrana ity dia hodiany fanina mihitsy izay hetsika tena hitondra fampandrosoana.

Iaraha-mahalala izao ny fahasahiranana mianjady amin’ny Air Mad, izay tsy manana fahefana ara-bola hoentina mandoa ny karaman’ny mpiasa ary ny tena loza dia tsy afaka misidina ihany koa ireo fiaramanidina Air Bus 340 izay tokony hitatitra ireo mpizahatany vahiny. Diso safidy amin’ny fananganana fotodrafitrasa sy fitaovam-pitaterana ny fitondrana, ka nisambo-bola hametrahana “téléphérique” eto an-drenivohitra, izay tsy hampivoatra na inona na inona. Azo inoana anefa fa raha ny fanamboarana ireo fiaramanidina simba ireo ho afaka hisidina no nisamborana io vola tamin’ny frantsay io dia hitondra fampandrosoana sy fanarenana ny toekaren’ny Firenena izany. Ho an’ny Firenena izany, ka tsy ho vesatra ho an’ny any amin’ny Faritra ny hamerenana izany trosa izany, satria samy hisitraka izay tombontsoa azo avy amin’izany sady hiverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny mpiasa ao amin’ity orinasam-pirenena ity.

Hananganana sekoly ambaratonga ambony avokoa ny any amin’ny Faritra rehetra saingy tsy mbola misy fofombola entina manao izany tetikasa izany. Tsy misy maha ratsy izany raha tanteraka, ny manahirana amin’izao fotoana izao anefa dia sahirana na ny mpampianatra mpikaroka, na ny mpandraharaha ara-pitantanana na mpandraharaha ara-tekinika eny amin’ireo Anjerimanontolo misy, noho ny tsy fandraisan’izy ireo ny tambikarama (heures supplémentaires), na ny karamany amam-bolana maro.

Araka ireo tranga ireo dia tsy misy mizotra any amin’izay hampandroso ny Firenena sy hampivoatra ny sosialim-bahoaka izay ataon’izao fitondrana tarihan-dRajoelina Andry izao, fa misarika ny rehetra ho any amin’ny lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana.