Tsara ny voka-panadinana bacc 58,02% ny afaka tamin’ny ankapobeny; 64,50% ny teknika

Aly

Azo lazaina ho tsara ny voka-panadinana bakalôrea (bacc) tamin’ny taom-pianarana 2020- 2021 teo. Raha ho an’ny bacc ankapobeny: 58,02% ny taham-pahafahana, ho an’ny bacc teknika sy teknôlôjika ary arak’asa, nahatratra 64,50% ny taham-pahafahana tamin’ny taom-pianarana teo, ho an’Antananarivo araka ny antontan’isa navoakan’ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony.

Raha atambatra kosa ny taham-pahafahana ho an’ny sokajy rehetra: ankapobeny sy teknika miaraka, nahatratra 58,48% ny taham-pahafahana: 46325 ny mpianatra afa-panadinana tamin’ireo mpiadina miisa 79066 ho an’Antananarivo. Ho an’ ny bacc ankapobeny: 42610 no afaka tamin’ireo mpiadina miisa 73446. Ho an’ny bacc teknika, 3625 no afaka tamin’ireo mpiadina miisa 5620.

Toy izao ny fitsinjaran’ny fahafahan’ireo mpiadina isaky ny sokajy na série: A1: 61,34%; A2: 57,76%; L: 61,07%; C: 59,18%; D:60,99%; S: 31,06%; OSE: 42,84%. Arak’izany, ny sokajy A1 no be mpiadina afaka indrindra ho an’An-tananarivo: 61,34%.

Ny gazety Ny Valosoa Vaovao dia miarahaba ireo rehetra afaka fanadinana bacc tamin’ny taom-pianarana lasa teo iny, ho an’ireo tsy nahomby kosa, amin’ny herintaona indraymanarina, ataovy sambo-balala main’andro io fanadinana io, raha tsy azonao anio, ho azonao izany rahampitso!