Fitondrana Rajoelina – Ireo fahafaham-baraka nihàtra sy mihàtra aminy

Andry Tsiavalona

Na misafotofoto tsy ifankahitana aza ny toe-draharaha eo amin’ny sehatra rehetra eto amin’ny Firenena dia zavatra hafa mihitsy, no ifantohan’ny saina sy ny ataon’ny mpitondra. Tsy azo adinoina tokoa ireo fahafam-baraka isan-karazany nateraky ny tsy fahaiza-mitantana, na fanararaotam-pahefana sy familiviliana ny saim-bahoaka nandritra ny hamehana ara-pahasalamana. Eo amin’ny sehatry ny fanabeazana dia iaraha-mahatadidy ny fivoahan’ny laza adina (fuite de sujet) tamin’ny fanadinana bakalorea ny taona 2019, ka nisian’ny fihodinana faharoa ho an’ireo tsy afaka tamin’ny fihodinana voalohany. Tsy mbola nisy toy ity toe-draharaha ity nandritra ny enimpolo taona niverenan’ny fahaleovantena.

Ny nisian’ny fahafahambaraka be indrindra dia tamin’ny fitantanan’ny mpitondra ny fanampiana azo noho ny fihanaky ny valanaretina covid-19. Ny voalohany indrindra tamin’izany ny fanampiana ara-tsosialy : « vatsy tsinjo », « tosika fameno », « kaly mora », sns… izay tsy nazava ny fomba nitsinjarana azy ireny. Teo koa ny fandaniam-bola valo miliara ariary nividianan’ny tao amin’ny minsiteran’ny fanabeazam-pirenena « bonbons sucettes). Marina fa nesorina ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ary nisy ny olona naiditra am-ponja izay azo antoka, fa tsy ireo olona ireo no tomponandraikitra voalohany tamin’izany. Tsy vitan’ireo fa nisy ilay « écran plat » teo anivon’ny CCO izay foibe tamin’ny fitantanana ny ady tamin’ny valanaretina. Tamin’ny fananganana ny governemanta vaovao telo herinandro lasa izay, nesorina tamin’ny toerany ny minisitry ny Atitany izay tomponandraikitra voalohany tamin’ity raharaha farany ity.

Nalaza koa ny volamena 73,5 kg tratra tatsy Afrika Atsimo, ka nampidirana am-ponja ny mpanamory fiaramanidina sy ireo mpiasan’ny fadin-tseranana ary voatazona am-ponja any Afrika Atsimo koa ny nitondra ny volamena. Tsy mbola hita ihany koa izay tohin’ity tantara ity, na dia efa ho sivy volana aza ny tranga. Novakian’ny minisitry Vola sy Toekarena vaovao ny kolikoly sy fanodinkodinam-bola any amin’ny tsy tokony halehany nisy teo anivon’ny minisitera ity. Fahafaham-baraka ny nanesorana ny tetibolan’ny Antenimierandoholona, izay nolazaina fa nalefa any Atsimo ho fanampiana tratry ny kere. Ny tetibola nomena ny Antenimierandoholona vao nitsangana anefa dia be lavitra noho ny an’ny teo aloha na dia ny am-pahatelon’ny isan’ny teo aloha aza ny mpikambana ao. Mety ho anisan’ny nanesorana ny tale jeneralin’ny tahirimbolam-pirenena ity toe-draharaha iray ity.

Nahamenatra sy nanala baraka ny mpitondra ihany koa ny adin’ireo vehivavy ao an-dapa ao. Samy nanandra-tena ho tsy azo atao na inona na inona ary nihevi-tena ho tanana ankavanan’ny filohan’ny Repoblika. Tsy maintsy nosarahan-toerana izy ireo kanefa tsy manakana ny fiparitahan’ny fahafaham-baraka izany. Iray tamin’ireo vehivavy ireo ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina izay namoahan’ny gazety an-tsoratra vaovao mamaky bantsilana ny fiainany « manokana », tsy mendrika ny toerana misy azy eo amin’ny fitantanana ny Firenena. Manampy trotraka izany ny nataon’ny vadiny izay nampiasa fitaovam-piadiana nifofona ain’olona. Tsy ho voasakana tsy hiparitaka any ivelany ity vaovao ity, ka hiteraka fahafaham-baraka, tsy ho an’ny minisitra ihany, fa ho an’ny fitondrana iray manontolo mihitsy. Ho fanakonana sa ho fialana andraikitra manoloana ity toe-draharaha ity ve ny antony nandehanan’ny filohan’ny Repoblika any Avaratry ny Nosy any? Anisan’ireo toa mpisolovava ny filohan’ny Repoblika mantsy ity iharan’ny fanenjehana mavaivay ity.

Mampandry adrisa amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra indray ny filohan’ny Repoblika, ka mampanantena fa hatomboka ny fanamboarana ny Làlampirenena faha-6. Tsy fantany ary ve fa fahafaham-baraka ho azy, tsy eo anatrehan’ny vahoaka ihany, fa hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tsy mbola fahavitan’ireo làlam-pirenena faha-5bis sy faha-44 ary faha-13, kanefa mampanantena indray izy satria tsy fantatry ny mponina any Avaratra any ireto roa farany. Izao tokoa no tonga amin’ny fitenenana hoe: “ny an-tratra tsy lavo, ka alao koa rainilahibe” ary izao fitondrana izao no matin-delany toa toho, ary matin-tanany toa foza.