FILMA GIDRAGIDRA

Indro fa nivoaka indray ny horonantsary vaovao,
Na mbola tsy nifarana aza ilay nalaza tao ho ao.
Tsy hay na zava-nisy marina ity navadika ho tantara
Na karazam-pingampingana ifanaovan’ny mapara!

Indro fa nivoaka indray ny horonantsary vaovao,
Ka ny henjana amin’ny serasera no indro lasa mpilalao.
Tsy hay na zava-noforonina na koa resaka nitarina,
Fa ny ampitso no hanambara hoe inona no tena marina.

Ny iombonan’izy ireo dia zava-tokana hatrany:
Misy ny “kitifitifitra” izay nomanina any ho any.
Tena fandatsahana aina, filma mampalahelo.
Asa raha hijanona eo na mbola hisy fahatelo.

Ny mpandray anjara fototra amin’ity ilay vao nivoaka,
Dia ilay akohovavy mampiaiky ny vahoaka.
Tena hainy ny maneno, izay ilay mampiavaka azy.
(Efa tokony hoesorina sy haiditra garazy!)

Saingy dia mitohy hatrany ny hasomparana fanaony.
Ny mamely fantsy moa dia efa tena kilalaony.
Voa anefa ankehitriny ity akoho mpihetraketraka,
Ka dia asa raha hiova sy efa mba hahay hipetraka!

…Sasa-miandry ny rehetra, hifarana eo ve ny tantara,
F’efa “maizina ny sary” raha ho an’ireo mapara.
Tsy hay sitranina ny fery fa nivadika ho dridra.
Ity ilay hoe horonantsary tena feno gidragidra!

TSIMIMALO(10-10-21)