TIM Boriborintany faha 4 – Nanomboka ny famelomamaso ny antoko TIM koa

Helisoa

Ny boriborintany faha 4 Antananarivo Renivohitra indray omaly, no nanao ny redynamisation na famelomamaso ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tao amin’ny Espace Gold Anosibe. Nitarika ny fotoana tao an-toerana ny birao politika nasionaly, notarihan’ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Riana Randriamasinoro, ny solombavambahoaka Emilien Ramboasalama. Tao anatin’izany no nanambaràna fa antoko miaina sy velona ny antoko TIM ary vonona haka fahefana, ka hamerina ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny firenena indray, mba hampandrosoana ny firenena izay latsaka lalina tanteraka amin’izao fotoana izao.

Ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, ny filoha Marc Ravalomanana kosa raha niditra tamin’ny antso an-telefônina tao an-toerana dia nanambara, fa ilaina ny firaisankina sy ny fifampitokisana eo amin’ny samy mpikambana Tiako i Madagasikara. Namafisiny fa ilaina hatrany ny fijoroana amin’ny fahamarinana . Aza matahotra miteny ny tsy rariny, satria isika hoy izy ao anatin’ny antoko mpanohitra .