Antsiranana – Miantso vonjy mafy ny mpiasan’ny Secren

Niaina

Sahirana ary miantso vonjy mafy amin’ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana ny mpiasan’ny Secren, na ilay orinasa mpanamboatra sy mpikojakoja sambo any Antsiranana, faritra Diana. Efa am-bolana maromaro izy ireo tsy nandray karama, noho ny faharatsim-pitantanana ao anivonity orinasa ity, izay ny rahalahin’ny Praiministra am-perinasa no mitantana izany orinasa izany amin’izao fotoana dia i Ntsay Abel. Araka ny sora-baventy asehon’ireo mpiasa, tsy voaloa ny hofan-tranon’izy ireo, tsy voaefa ny vidin-jiro sy ranon’ny Jirama, sahirana izy ireo amin’ny fampidirana mpianatra an-tsekoly amin’izao fidiran’ny mpianatra izao,… Sao mba tsy rariny hoy ihany ny fanambarana avy any Diégo.