Mpanazatra ny Barea – Tapitra ny fifanarahana tamin’i Eric Rabesandratana

Lita sy Rainilita

Tapitra ny fifanarahana tamin’ny mpanazatra ny Barea an’I Madagasikara Eric Rabesandratana, araka ny taratasy nataon’ny filohan’ny Federasiona Malgasin’ny Baolina kitra (FMF), Arizaka Rabekoto Raoul, mitantana vonjy maika ny ekipam-pirenena Malagasy eo aamin’ny baolina kitra I Eric Rabe mandritra ny andro voalohany sy faha-2 amin’ny fifanintsanana amin’ny Mondial 2022 hatao any Qatar. Vita ny talata teo tany Dar Es Salaam Tanzania izay andro faha-2 izay. Andrasana arak’izany izay ho fanapahan-kevitry ny FMF na mbola I Eric Rabe ihany no hanohy ny fitantanana ny Barea an’I Madagasikara, na hovana. Dia ho hita eon y tohiny. Fa ankoatra izany, resy fanindroany ny Barean’i Madagasikara tamin’ny talata 07 septambra 2021 teo, tao amin’ny kianja “Benjamin Mkapa National Stadium” any Dar es Salam Tanzanie, eo amin’ny fifanintsanam-bondrona J aty Afrika, hahazoana miatrika ny “Mondial Qatar 2022”. Mbola mitana ny laharana faha-4 farany araka izany ny Barea ao amin’ity vondrona J misy azy ity, nefa mbola tsy manary fanantenana satria mbola hisy lalao 4 hatrehana hanarenana ny lesoka. Somary ambanimbany ihany ny rijiky hahatafitana any amin’ny Mondial 2022, nefa tsy maintsy mandray anjara hatramin’ny farany isika mba tsy hirotsahan’ny sazy mety ho azo indray. Marina fa niezaka namezivezy ny baolina toy ny mahazatra azy ny Barea tamin’ity fihaonana tamin’ny Tanzaniana ity ary tena nahavalalanina sy nahafinaritra tokoa izany, nefa tsy ampy fantsika fa nihoaran-dry zareo mpampiantrano ny isa azo teny amin’ny tabilao, ka ny fandresena ihany no azo antoka hahazoana toerana ho any Qatar. Mbola mila ezaka goavana ny Barea sy ny mpanazatra eo amin’ny fandrindrana ny fiarahana, sy ny fisafidianana an’ireo mpilalao hiakatra eny ambony kianja raha ny tena marina.