EDITO 21 aogositra – Fitondrana Rajoelina – Antsoantso sy deradera sisa

Beharo

Hita taratra izao, fa antsoantso sy deradera sisa no ataon’ny fitondrana Rajoelina rehefa misy zavatra tiany ho saronana na afenina ny vahoaka. Ny tian-kambara amin’izany dia efa maro ireo fomba ratsy nolovaina tamin’ny andron’ny tetezamita nefa mbola tohizana hatrany.

Ny lafiny fampianarana ohatra dia maro ireo ankizy tamin’ ny taona 2009 izay mbola T4, T5, sy kilasy faha-3, no efa manambady, miasa, mamita vanim-potoana fianarana ambony amin’izao fotoana, no niaiky, fa diplaoma nozarazaraina ny taloha, fa raha fahaizana sy fahalalana dia aotra amin’izao vanim-potoana izao. Mifandray ny taloha sy ny ankehitriny, kenda hatrany izy ireo, ka na hampianatra ireo zandry zanaka aza dia “Faible ” na osa, hoy izy ireo, tsy ampy fahalalana.

Eo koa ny fanitarana ireo vanim-potoana hitondrana izao tany efa mahantra izao, toy ny tamin’ny andron’ny tetezamita ohatra, dia efa nohalavaina lasa 5 taona ny fe-potoana hitantanana izany hoe efa “mandat ” iray raha atao indray mijery, koa tsy mahagaga raha anaovan ‘ny olona antsoantso eto an-toerana sy any ivelany hoe: mialà! aleo miroso amin’ny Repoblika faha-5, manenina izahay, tofoka sy ny sisa….

Tsapa fa toy izany foana no hisy eto, ka na ny fanitarana ny fe-potoana hiasan’ireo governora, ny filalaovana ny andraikitr’ireo olom-boatendry, ny fanaovana tsinontsinona ny filoham-pokontany sy ny maro hafa dia mazava, fa paik’ady fifikirana seza avokoa, sy efa propagandin’ny taona 2023 ihany koa. Tsy latsa-danja amin’izany ny mbola kitoatoa tamin’ny nanovana ny mpikambana amin’ny governemanta, nefa dia vava fotsiny ihany raha fintinina, atao tsara laza amin’ny onjam-peom-pirenena sy any amin’ireo faritra efa sahirana, kere, ny vaovao dia mitady deradera sy tehaka madinika, nefa efa fanimbana mivantana no hita ataon’izao fitondrana izao.

Voadona tapany ka mandoa erany avokoa ra-malagasy hatramin’ny tetezamita miampita amin’izao repoblika faha-4 izao. Raha ny akom-baovao teny rehetra teny ihany koa no atambatra, manampy trotraka ireo voalaza ireo ny hoe: mba marina ve ireo isa izay omena momba ity aretina covid-19 ity, sa dia atao tako-maso manara-penitra ihany koa?