AIZA IZAY HOE FITSITSIANA ?

Aiza ho aiza izany izao ilay politikam-pitsitsiana?
(Ny eny ambony, tsy modely ny amin’izay atao rehetra!)
Ny vahoaka hatrany ve no hilanja ny hazo fijaliana,
Ianareo dia tsy hihafy fa vao mainka koa hiletra?

Izao “ny atao” sy “ny tenenina”, mifanohitra eny foana.
(Ny vahoaka anie tsy adala fa ny teninao tadidiny!)
Fidedahana hatrany no andaniana ny fotoana?
Tena fako ve ’zahay ka dia atao tsy misy vidiny?

Aiza ho aiza izany izao ilay politikam-pitsitsiana,
Raha nanendry ireo minisitra izay voalaza ho mahay?
Mahagaga mantsy ny isany fa vao mainka koa nampiana.
Sa rehefa voky ireo dia mba handrezatra izahay?

Ny manara-penitrao dia teny fandaniam-potoana.
(Toy ny tsy ao an-dapa ianao fa mbola an-trano fandihizana!)
Tsy salegy no ilaina, handroso mihemotra eny foana.
Mila vatsy, mila tohana ireo vahoaka f’efa vizana!

Andronao mpitondra angamba raha ny omaly sy ny anio,
Ka dia miliba ianao, mandany, tsy misaina izay ho farany!
Saingy raha ny ampitso kosa dia tsy anao fa tadidio,
Ireo nampahantraina mantsy mbola manana ny hambarany!

IRINA HO TAFITA (19-08-21)