Synoda lehibe faha-19 ny FJKM any Sambava – Hahafantarana izay ho filohan’ny FJKM sy ireo mpiandraikitra foibe

Rajo

Nosokafana tamin’ny fanompoam-pivavahana ny synôda lehibe faha19 ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM ), izay atao any Sambava faritra Sava. Haharitra herinandro ity fivoriana ity, ka ho fantatra amin’izany izay ho filohan’ny Fjkm sy ireo biraon’ny mpiandraikitra foibe ary ireo mpikambana ao amin’ny mpiandraikitra foibe Fjkm ihany koa.

Raha tsiahivina, dia vory lanona any an-toerana ireo mpitandrina sy laika hiatrika ity synôda lehibe avy amin’ny lafivalon’ny nosy ity. Mitarika ny fotoana any an-toerana ny filohan’ny Fjkm, ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, izay mbola filoha am-perin’asa. Andrasana arak’izany ny tohin’ny vaovao momba ity synôda lehibe any Sambava ity, natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly Alarobia.