Fitondrana Rajoelina – Tsy manana politika matotra na eto anatiny na ivelany, hoy Ravalo

Isambilo

Vory maro ny mpikatroka ao amin’ny RMDM: Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara tamin’ny talata 10 aogositra teo, tao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka, nankalazana ny faha-2 taonan’ity vovonan’ny mpanohitra ity, na dia andro andavanandro aza no nanaovana ny fanamarihana. Ny 10 aogositra 2019 tokoa no nambara tao amin’ny Hotel Carlton Ampefilohaa ny fijoroan’ny RMDM, tarihan’ny filoha Marc Ravalomanana, izay sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Rariny sy hitsiny ary lôjika no maha-filohan’ny mpanohitra eto amintsika an’i Dada, satria izy no kandidà faha-2 nahazo vato be indrindra tamin’ny fifidianana feno hosoka sy hala-bato, noho ny “doublons” tamin’ny taona 2018.

Nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra izao fanamarihana tsingerin-taona tetsy Behoririka izao fa: “vitantsika ny maka fahefana hatrany amin’ny sefo fokontany. Aza avela hahazo laka intsony ny halatra, efa nahazoantsika lesona ny “doublons”. Misy ny paikady ary tsy horesahiko eto daholo. Mila firaisankina. Tsy mora ny làlana hizorana fa tsy ho kivy mihitsy isika. Tsy maintsy misy ny laharam-pahamehana hapetraka amin’ ny politika iraisam-pirenena sy ny fifandraisana iraisam-pirenena. Tsy maintsy mifanaraka amin’ny laharam-pahamehana amin’ny politika fampandrosoana anatiny izany laharam-pahamehana amin’ ny politika iraisam-pirenena izany. Ny fitondrana malagasy anefa dia tsy manana politika iraisam-pirenena mazava, satria na ny politika fitantanana ny raharaham-pirenena anatiny aza dia tsy misy voasoritra mazava, na tsy misy mihintsy, na dia efa misasaka aza ny mandat. Ny laharam-pahamehana moa dia io tsy mazava io, ka mampahantra ny vahoaka Malagasy”, hoy ity filohan’ny mpanohitra eto Madagasikara ity.

Niatrika izao fanamarihana ny taona 2, nijoroan’ny RMDM izao koa ireo solontena avy amin’ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy, na avy any atsimo, na avy any avaratra, na avy atsinanana, na ny avy any andrefana.