Jeune Contre la Pauvreté (JCP), Toamasina – Manampy ny zaza sahirana sy ny tanora

Isambilo

Fikambanana mijoro manao asa sosialy any Toamasina faritra Atsinanana amin’izao fotoana ny fikambanana JCP: Jeune Contre la Pauvreté, na Tanora Miady amin’ny Fahantrana.

Araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Lucien Cédrien, tanora maromaro izy ireo no mivondrona ao anatin’ity fikambanana ity ary nametraka hoe: « inona no anjara andraikitra azon’ny tanora atao ho fampandrosoana ny firenena, ho fampandrosoana an’i Toamasina ».

Ny zavatra ataon’izy ireo amin’izany dia fijerena sy fitsinjovana ireo zaza sahirana ao amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana aloha : manampy sy miahy azy ireo. Manampy koa izy ireo an’ireo tanora tsy an’asa : manome fanofanana arak’asa, miezaka koa amin’ny famoronana asa ho azy ireny, mba tsy hivary lavo amin’ny fiainana fa hanana ny ho aviny eo amin’ny fiainana.

Nambaran’ity filohan’ny JCP ity, fa tsy hijanona ao Toamasina ny hetsika sosialy ataony fa hitarina amin’ny toerana hafa, fa hatreto aloha dia fanampiana ireo zaza sahirana tamin’ny fokontany vitsivitsy tao Toamasina no nataony ary haparitaka amin’ireo Boriboritany 5 ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana izany. Ho an’ny zaza sahirana, nizara sakafo ho an’izy ireny ny fikambanana, nizara lamba sy fitafiana koa.