Malagasy mpitolona ao La Réunion – Tokony hiditra amin’ny Repoblika faha-5 i Madagasikara

Nangonin’Isambilo

Nanao hetsika ireo Malagasy mpitolona ao amin’ny Nosy La Réunion ny faran’ny herinandro teo, mahakasika ireo tsy fahombiazan’ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana. Nisy ny fanambarana navoakan’izy ireo momba an’izay : miala Rajoelina, hoy ny fanambarana, satria mandika ny lalàna velona rehetra misy eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.

Mampihàtra ny JADONA, managadra ny mpaneho hevitra sy ireo rehetra tsy mitovy hevitra aminy. Mangalatra sy manodina ny volam-bahoaka. Manao kolikoly. Manaonao foana, mandany vola amin’ny tsy misy dikany : 78 tapitrisa dolara Amerikana no lany nanaovana an’i Mahamsina, nefa 77 tapitrisa dolara Amerikana no ilaina iadivana amin’ ny kere. Tsy mahay mitantana, mandany vola tamin’ny fanamboarana CVO, kanefa tsy mandaitra akory. Mivarotra tany amin’ny vahiny amin’ny alàlan’ny Emergence. Tsy mitsahatra ny mandainga sy mamitaka vahoaka. Velirano sy ny fampanantenana poak’aty miisa zato mahery, tsy misy tanteraka. Manageja ny fahefan’ny andrim-panjakana rehetra. Miaro ny mpanao ratsy toy ny afera SMMC. Mitady hanome zom-pirenena ho an’ny vahiny. Mamono ny fampianarana amin’ny tsy fikarakarana ny mpampianatra. Namono nahafaty mpianatra nitaky vatsim-pianarana, sns…

REHEFA MIALA RAJOELINA, hoy ny fanambarana dia izao no mety ho tombontsoa: miverina amin’ny Malagasy i Madagasikara. Ny Malagasy amin’izay no mahazo vahana, fa tsy ny vahiny intsony. Afaka atao tsara amin’izay ny ady amin’ny kolikoly. Tsy ny vola intsony no hanjaka eo anivon’ny Fitsarana sy amin’ny sehatra rehetra. Afaka haneho hevitra ara-dalàna ny olom-pirenena rehetra. Hizotra tsara ny fitantanana ny harem-pirenena, ka hisitraka ny tombontsoa rehetra ny maro an’isa. Hangarahara ny vola azo sy ny fampiasana azy iadiana amin’ny Kere, noho izany dia ny FIALAN’I ANDRY RAJOELINA IHANY NO VAHAOLANA.

Manao tolo-kevitra toy izao izahay Malagasy mpitolona eto amin’ny Nosy La Réunion, hoy ny fanambarana, hiditra amin’ny Repoblika faha-5 i Madagasikara. Ao anatin’ny fananganana io Repoblika vaovao io no hananganana : HCC tsy mitanila, Code electoral na lalàm-pifidianana vaovao, fanavaozana ny lisi-pifidianana. Ny fitsarana ireo mpanongam-panjakana, mpangala-bato rehetra, mpanodinkodim-bolam-panjakana rehetra. Ny fifidianana eny anivon’ny Fokontany, no tokony hialoha ny fifidianana mpitondra firenena vaovao.