Fikaonan-doha nasionaly – Ho tonga avokoa ireo mpanohitra ny fitondrana avy amin’ny lafy valon’ny Nosy

Ho tanterahana eny amin’ny Ri La Tsio Bypass rahampitso zoma 23 jolay, sy ny sabotsy 24 jolay izao, ny fikaonan-doha nasionalin’ny avy amin’ny fanoherana eto amintsika. Araka ny vaovao voaray, ho tonga eto Antananarivo avokoa ny solontenan’ny mpanohitra ny fitondrana amin’izao fotoana, avy amin’ny lafy valon’ny Nosy.

Nambaran’ny tompon’andraikitra tamin’ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety tetsy Bel’Air ny talata teo, nahitana ny mpitarika isany avy amin’ny RMDM: Pasitera Edouard Tsarahame, sy Jean Claude Rakotonirina, fa ho avy eto an-drenivohitra avokoa ny solontenan’ireo mpanohitra rehetra manerana an’i Madagasikara, mahatsapa fa tsy manjary izao fitondrana Rajoelina izao. Tanjona ao anatin’izany hoy izy ireo ny hikatsaka vahaolana manoloana ny toe-draharaham-pirenena.

Handray anjara amin’izany ireo mpisehatra politika rehetra tsy misy anavahana avy amin’ny fanoherana, ao anatin’izany na antoko na vondrona na fiarahamonim-pirenena manana hevitra hoentina hampandrosoana ny firenena. Hisy ny vaomiera miisa 4 hitsinjarana ireo mpandray anjara: eo ny vaomiera momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana, ny toekarena sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny vaomiera politika ary ny vaomiera sosialy sy kolontsaina ary fanabeazana. Efa an-dalana ho aty an-drenivohitra avokoa ireo solontena avy amin’ny faritra 22 ankehitriny, efa nisy hatramin’ny omaly no niainga avy any amin’izy ireo hamonjy io fotoan-dehiben’ny mpanohitra hanomboka rahampitso io.