Ben’ny tanàna nidoboka am-ponja – Voalaza ho nangalatra kamiao ana orinasa iray

Stefa

Noho ny disadisam-pitantanana, nidoboka am-ponja ny ben’ny tanàna iray.
Ben’ny tanàna any amin’ny distrikan’Isandra, faritra Matsiatra Ambony ity notazonina am-ponja vonjimaika ity, nanomboka ny faran’ny herinandro teo, voalaza fa naka antsokosoko, nangalatra ny fiaran’ny orinasa Lazan’ny Betsileo izy. Amin’ny 12 aogositra ho avy izaao no hatao ny fitsaràna.

Araka ny angom-baovao, nanana andraikitra tao amin’ny orinasa ity ben’ny tanàna ity. Ny 20 febroary teo, nalainy tao amin’ny fipetrahany io fiara «camion» io. Nolazainy ireo mpiambina fa entina amboarina ilay fiara. Taty aoriana anefa, fantatra fa nampiasainy tany amina «chantier» ana depiote iray, ilay camion, fa tsy namboarina akory. Nanamarina izany ny fitsirihana nataon’ny vaditany.

Nitory, noho izany, ny orinasa. Nanao fanadihadiana ny zandary ary izao tonga tamin’ny fanolorana ny fampanoavana an’ity ben’ny tanàna ity izao. Araka ny vaovao voaray, toa misy olam-pifandraisana ny talen’ny orinasa sy ity tompon’andraikitra ahiahiana ity.
Ny fitsaràna amin’ny volana aogositra ho avy no hahitàna izay mety hiafaran’ny raharaha, na ny mety hitohizany.