RY BE GIRADY ! RY BE VAVA !

Misy olom-bitsivitsy izay nalaza vetivety,
Ka nisandratra mihitsy, tampoka dia toa vedety.
Ny iavahany amin’ny hafa, tsy mba zava-tsara anefa,
Fa ny teny sy ny fomba zary toa mirefarefa!

Izay rehetra fahefana sy ny zava-dratsy hainy,
Tena tapitra nandramany ary efa nampiasainy.
Famotehana ny hafa tsy mitovy hevitra aminy,
Izay no tena kilalaony, tiany indrindra sady maminy!

Raha vao izy no miteny, be no efa mihovitrovitra,
Fa ny vavany, mitriatra toy ny vorodamba rovitra.
Tsy dia teny mamy anefa no mazàna mba atolony,
Ary mety hoe izay no mampivindina ny molony!

Raha ny toerany dia avo, toy izany koa ny andraikiny,
Saingy tapitra miaiky hatramin`ny olona eo akaikiny,
Noho ny teny sy ny fihetsiny efa tena tsy voatandrina,
F’efa tena mahamenatra, toy irony vay an-kandrina!

Ny girady, toerana avo, volabe sy ny harena,
Ireny ve no mahatonga tsy hahay hanetry tena?
Zavatra mandalo ireny sao ho diso ny famindra.
Ny fanaovanao ny tsara, izay no lehibe indrindra!

…Ry nahazo toerana avo nefa tia misetrasetra,
Misy farany daholo izay natombokao rehetra.
Anao ny vava, anao ny hery, anao ny omaly sy ny anio,
Fa saingy raha ny ampitso kosa dia tsy anao fa tadidio!

DADAN’i ZINA (10-07-21)