EDITO 13 jolay – Fiainana andavanandro : Hiha-mafy ny fahasemporan’ny vahoaka

Sôh’son

Manomboka misoka indray ao anaty fidangan’ny vidim-piainana vaovao, fanampin’izay efa eo tsy zaka hatramin’izay ny sarambabem-bahoaka. Hatrany amin’ny sakafo madinika indrindra fanjifany eo amin’ny fiainana andavanandro no iharan’izany. Anisan’izany, ohatra, ny kafe entin’ireo mpivaro-mandeha, izay efa tsy mahazo intsony ny ariary zato. Iray amin’ireo mandrafitra ny fombam-piainan’ny maro andavanandro anefa io ary efa manana anjara toerany amin’ny hany mba vola eo am-pelatanany. Mazava loatra, tsy maintsy misy fiantraikany eo amin’ny fiainany izany, na eo amin’ny vola kely mba ananany, na eo amin’ny fiatrehany ny fivelomany. Mipàka hatrany amin’ireo sakafo sy entana tsy maintsy jifaina isanandro io fiakaram-bidy io amin’izao fotoana izao.

Manomboka efa faritan’ireo sekoly rehetra ankehitriny, ny andro hisokafan’ny fandraisana ny saram-pisoratana anarana. Miara-dalana amin’izany, ny amin’izay kojakojam-pianarana toy ny fitaovam-pianarana ilaina mbamin’ny akanjo iraisana isaloran’ny mpianatra, enti-manavaka ihany koa ny sekoly. Mazava loatra fa tsy maintsy hisy ny fiakaran’ny vidin-javatra miditra amin’io volana aogositra io. Hitombo araka izany ny fahasahiranam-bahoaka, ary hanempotra azy ny sondrobidim-piainana.

Fanaovana tsinontsinona ny fiainam-bahoaka andavanandro, ny tsy fametrahana ho laharam-pahamehana alohan’ny sehatra hafa ny filàny andavanandro. Maneho tsy fahaiza-mitantana firenena mihitsy ny tsy fandanjalanjana izany amim-pahendrena. Nisy tomponandraiki-panjakana, niteny tsy am-piheverana no ilazana azy sy tsy am-pisainana lalina, fa ny fanaovana fotodrafitrasa no tena zava-dehibe ary tsy nasiany teny na kely aza, mba tsy ilazana hoe tsy namakiany loha, ny momba ny sakafo fanjifan’ny vahoaka andavanandro izay tena manahirana azy tanteraka amin’izao fotoana izao. Tsy olana ho an’io niteny io mantsy ny manjo ny vahoaka amin’izany satria sakafo tsara voatra lafo vidy isan’andro no hohanin’izy mianakavy. Tsy mahatsapa no sady tsy mamaha ny fahasahiranam-bahoaka, fa zavatra hafa no mahamaika.

Hatreto dia tsy hita mihitsy izay ezaka hampitsaharana ny delestazy mpiseho isan’andro, izay tsy indray mandeha ihany, fa in-droa na in-telo mihitsy, manohintohina ny fiainam-bahoaka. Maneho ny tsy filaminana amin’ny fitantanam-pirenena izany, no sady midika ho tsy fahombiazan’izao fitondrana Rajoelina izao. Tsy araky ny fampanantenana be natao ny zava-misy iainam-bahoaka, roa taona sy fito volana nitondrana. Ny olona eo anivon’ny fitondrana sy ireo izay miara-dia aminy ihany no hany mahita tombontsoa sy fampandrosoana ny firenena. Mazava loatra, fa ireo dia tsy mivaky loha na minia mikimpy amin’ny fahasahiranam-bahoaka, ary manao vain-drahalahy tsy maharary.