MITANA NY TENINY VE NY FILOHA ?

Mitana ny teniny ve ny filoha
Sa ny mandaingalainga eny hatrany no asany?
Iretsy vahoaka anie efa mifoha
Ka ny zava-mivaingana hatrany no andrasany!

Impiry no re ny fampanantenana
Fa ho avy ny vary sy menaka mora,
Kanefany hatreto dia tena igagana
Fa toa miaka-bidy isan’andro isan’ora!

Lalovana fotsiny ireo revin-gadra
Sy nofy ririnina tena fiventiny!
Angaha tsy mba reny ny fidradradradra
Na koa ny tolokon’ny olona entiny ?

… Rehefa tsy hanaja ny teny nomena,
Dia aleo re misinda tsy ho hita eto an-dasy.
Ry tia hatak’andro, ry mpandoka tena,
Efa leo fampiesonana ny Malagasy!

IRINA HO TAFITA (09-07-21)