Fanadinana CEPE anio – Vonona ny mpianatra, vonona ny laza adina, mitaintaina ny ray aman-dreny

Isambilo

Ho tanterahana anio manerana an’i Madagasikara ny fanadinam-panjakana CEPE, fanadinam-panjakana voalohany hatrehan’ireo kilonga madinika.

Azo lazaina ho efa vonona avokoa ireo ankizy hiatrika izany, satria efa nisy tany am-pianarana ny fanadinana andrana (examen blanc), ka tsy hanavao an’izy ireo amin’ny laza adina mety hivoaka anio amin’ity fanadinam-panjakana ity. Efa vonona hatramin’ny faran’ny herinandro rahateo ny laza adina hanadinana ireo mpianatra mandritra izany. Na teo aza ireo olana samy hafa tamin’ity taom-pianarana hivalona tsy ho ela ity, toy ny fiatoan’ny fianarana noho ny valanaretina coronavirus, sy noho ny fahasahiranana mihàtra amin’ny ray aman-dreny maro vokatr’izay krizy ara-pahasalamana izay, ho tontosa ihany ny fanadinana anio.

Mahakasika ity fanadinana ity, ny ray aman-dreny no tena mitaintaina amin’izy ity, tsy vitsy izy ireo anio no manaraka ny zanany miandry any ivelan’ny sekoly amin’izao androm-panadinana izao. Dingana hafa vaovao indray tokoa no ho hatrehan’ny zanany ao aorian’ny CEPE, dia ny fiampitana avy amin’ny fampianarana ambaratonga voalohany mankamin’ny fampianarana ambaratonga faharoa izany. Misy maha samihafa azy ny fampianarana atao amin’ireo dingam-pampianarana roa ireo.