GASIKARA MANKAIZA?

Misasaka ny taom-piasana saingy tsisy fiovana.
Mitavozavoza hatrany ny mpitondra fanjakana.
Loza ny fihoerahoerany ary fatratra ny hambony,
Saingy izao ilay Gasikara, tsy ho ela dia ho rambony!

Tena tsisy zava-banona raha ny hita hatreto aloha,
Fa tena toy ny ganagana mandro sy misasa loha,
Ka samy faly hanao izay tiany ireo nomena fahefana.
Tena tsy voahaja intsony ilay hoe tany “tan-dalàna”!

Indreo ny mpiaraka misaosy, mifanohana amin’ny ratsy.
Tena zara raha jereny ireo mahantra lany vatsy.
Sombintsombiny no omeny ireo iharam-pahoriana.
(Aminy, tsy teny gasy izany atao hoe “tsy fisiana”!)

Mihoerahoera ny filoha, miteny ny praiminisitra.
(Isika anefa aloha hatreto, faharoa amin’ny gisitra!)
Ka na mbola hofefena sy hosaronana ny marina,
‘Zay aloha ny zava-misy, tsisy resaka itarina!

Asa maika sy mivaingana, tena izany izao no andrasana,
Raha tsy izany, hitohy indray ity ilay fandavaham-pasana.
…Saingy hatreto ny mpitondra, zava-kafa no ao an-tsainy :
Tsy ny ho an’ireo vahoaka fa ny hameno ny tsinainy!

DADAN’i RIANA (04-07-21)